Mila fitsaboana ny firenena, hoy ny filohan’ny fikambanana “Avaradrano Miara Dia” izay kandidà ho solombavambahoaka rahateo ao amin’ny distrikan’Avaradrano ny Dr Andriambelosoa Heriniaina, satria maro ny zavatra tsy mandeha amin’ny tokony ho izy fa mijanona tanteraka amin’ny fanavaozana notakian’ny vahoaka. Lava dia lava ny dingana aleha vao tonga amin’izany fahazoana mari-pahaizana dokotera izany ka ny fifaneraserana nivantana tamin’ny vahoaka no maro tamin’izany ka tena nahita ifotony ny fahasahiranam-bahoaka sy ny marary azy ara-bakiteny ary ny filan’ny mponina ankapobeny izahay. Tsy hisalasalana araka izany, hoy izy, fa ho safidin’Avaradrano amin’ny faha-20 desambra ny laharana faha-33 amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena fihodinana faharoa izay tsy iza fa ny Dr Robinson Jean Louis, ary ho safidiny faharoa amin’io andro io kosa ny laharana faha-2 eny Avaradrano ho solombavambahoaka dia ny Dr Andriambelosoa Herinaina na Dr Naina Batou Beach.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.