ANDRIAMANANTENA SERAPHIN

Tokony hanampy fa tsy hanahirana ny kaominina ny fanjakana


  • Alarobia 11 Jona 2025

Miainga eny ifotony ny fampandrosoana hoy Andriamanantena Seraphin,

mpanolontsaina eo anivon’ny kaominina Alasora fa tsy miainga eny an-tenantenany na avy any ambony. Tena tokony hoampian’ny fanjakana bebe kokoa ny kaominina araka izany raha araka ny fanazavany mba hisian’ny tena fampandrosoana marina. Tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy raha ny fanazavany ny fakana ny hetran-trano sy hetran-tany vola miditra eny anivon’ny kaominina izay lasa aterina eny amin’ny ivon-toerana fandoavan-ketra indray. Lasa tara ilay asa fampandrosoana tokony hataon’ny kaominina hoy izy. Mikasika ny asa fampandrosoana tena maika tokony hatao eo anivon’ny kaominina Alasora dia nambarany fa ny asa fanamboaran-dalana izao no tena hanaovana ezaka izay marihina fa efa mandeha. Milamina tsara raha araka ny fanazavany ny fiaraha-miasany amin’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy. Mitovy mantsy ny vina napetraka hoy izy dia ny fampandrosoana bebe kokoa hatrany ny tananan’Alasora izany.
Pati
Legende : Izy no Andriamanantena Seraphin, mpanolontsaina eo anivon’ny kaominina Alasora !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT