Mahatsapa Atoa Andriamamonjisoa Roland Pascal, izay efa nitondra Fokontany nandritra ny fotoana maharitra, fa maro ireo olana sy fahasahiranana mianjady amin’ny mponina miaina eny amin’ny faritra iva toy ny lafiny sosialim-bahoaka, ny resaka tsy fandriampahalemana na ny fijojon’ny orana amin’izao vanim-potoanan’ny fahavaratra izao izay mahadibo-drano vetivety ny tokantrano maro ka mampimenomenona sy mampitaraina ireo traboina nefa tsy misy akony any amin’ireo rafitra isan-tsokajiny. Tsy tafapaka tanteraka any amin’ireo mpitondra fanjakana mahefa anefa izany hetahetan’ny vahoaka eny ifotony izany. Noho io antony io indrindra no nahatonga ity kandida miaraka amin’ny fikambanana Zana-bahoaka ity hirotsaka ho solombavambahoaka ao amin’ny Boriborintany voalohany amin’ny fifidianana izay hatrehintsika amin’ny 20 desambra 2013. Asan’ny solombavambahoaka ny manao lalàna izay tsy maintsy miainga amin’ireo filan’ny mpiara-belona. Ekena ny tsy fitoviana amin’ireo Fokontany 44 ao anatin’ny Boriborintany voalohany nefa mila jerena isanisany ny laharam-pahamehana ka ireo no avadika ho lalàna, hoy ity kandidan’ny Zana-bahoaka ity izay vonona ny hanara-maso ny asan’ireo fahefana mpanatanteraka. Vonona ihany koa ny tenany ny hanova ny fomba fisainan’ireo mponina mipetraka eny amin’ny faritra ambany mba hivoatra sy ho reharehan’ny renivohitr’i Madagasikara.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.