Andraikitra maha solombavambahoaka

«Tokony hampandraiketina olona tsy nianatra ve?»


  • Alarobia 24 Aprily 2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Ramboasalama Emilien. Eo indrindra, hoy izy, no tokony hiheritreritra ny rehetra amin’ny fijerena ny hoe iza no tokony ho fidiana sy atao solombavambahoaka ao amin’ny antenimieram-pirenena? Tokony hijery koa ny vahoaka hoe ilay olona iantefan’ny safidiko ve tena afaka hitondra marina ny hetahetako mba hananana hoavy mamirapiratra sa tsy mijery afa-tsy ny tombontsoany manokana? Izaho moa kandida mahaleotena. Tokony hihoarana, ialàna ny adilahy politika. Tokony hifantoka amin’ny tombontsoam-pirenena ny zava-drehetra. Ny 80,5% -n’ny malagasy izao miaina ambanin’ny 2,15 Dolara. Tena anaty fahantrana lalina ny malagasy. Tadidio tsara fa in-2 isan-taona izany solombavambahoaka izany no mivory. Ao no hijerena ny lalàna mifehy ny tokony hitantanana ny firenena sy ny hanitsiana an’izany dia olona tsy nianatra ve no tokony hampandraiketana an’izany? Olona tsy mahafantatra hoe inona izany «finance publique» izany? Tsy mahafantatra akory hoe inona no olan’ny olona fa dia apetraka fotsiny amin’ny hoe izahay avy amin’ny fitondrana dia tsy maintsy izao no eo fa mila jerena tsara izany izay zavatra izay, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT