Andohanilakaka

Nofoanana sy haverina ny fifidianana


  • Alakamisy 23 Janoary 2025

Haverina ny fifidianana any Andohanilakaka araka ny didin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny

ifanaovana amin’ny Fanjakana na ny TAF tao Fianarantsoa omaly. Raha hiverena ny vokatra navoakan’ny SRMV sy ny CENI, nitarika tamin’ny elenelam-bato 738 i Rakotonirina Jean Pierre kandida tsy miankina, saingy notorian’ny kandida IRMAR kosa ity farany, ka dia izao niafara amin’ny hoe hamerenana ny fifidianana izao. Voka-pifidianana tamin’ny Birao fandatsaham-bato 19 amin’ny 34 no nofoanan’ny Tribunal Administratif na TAF raha ny didy nivoaka ny alahady 19 janoary teo noho ny fanenjehana natao an'Atoa Rakotonirina Jean Pierre na kandida tsy Miankina Ranirina Tsy Ambara Fa Hay lahara faha-4 nahazo vato 2793 (50,70%), notorian'ny kandida Irmar laharana 1 Ratsimanotry Razafiarison nahazo vato 2055 (37,30%). Ny didim-pitsarana ny zoma teo no nanafoana ny voka-pifidianana tamin’ny ampahany, saingy io nofoanana tanteraka sy averina io ny fifidianana natao ny 11 desambra 2024 lasa teo. Nisy ny fihetsiketseham-bahoaka tao anatin’ny roa andro izay, tsy manaiky ny hoverezin-jo satria ny fokontany 5 amin’ireo 10 ao amin’ny kaomina Andohanilakaka no nofoanana tao anatin’izany, saingy lasa ny fifidianana manontolo ankehitriny. Hangotraka ny fitakiana raha tsy araka ny safidim-bahoaka no hivoaka amin’ny alarobia, ary tsy matahotra fa manana ny marina sy ny maro an’isa, hoy ireo vahoaka ny fiandohan’ny herinandro teo. Tsy nitady famerenana fifidianana fa ny fandresena avy amin’ny safidim-bahoaka izy ireo. Hilamina ve ny ao Andohanilakaka manoloana ity fanafoanana sy famerenana fifidianana ity ? Resy ny IRAMAR dia averina ny fifidianana fa mba misy mifamadika amin’izany ve hoe : mandresy ny IRMAR dia misy fifidianana averina ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT