Andiana tanora anatin'ny Alliance VATO

Mitaky fandravana ny CENI, HCC, Antenimiera,...


  • Zoma 30 Janoary 2026

Nirohotra niazo ny Lapan'ny

Antenimierampirenena etsy Tsimbazaza ireo tanora mpitarika ny Alliance V.A.T.O (Vondrona Antoky ny Tolona ho an'ny Olom-pirenena) ahitana ny Gen Z, Gen Y, GHM , Tolom-bahoaka, Tanin-janaka, ANTAFA,... omaly. Nilanja sora-baventy ka isan'ny takian'izy ireo ny jandravana ny HCC, handravana ny CENI, handravana ny ny Antenimierampirenena,... Milaza ho tsy mila ny fanomezana vahana ny mpitondra teo aloha eto amin'ny tany sy ny firenena, tsy manaiky ny anjakazakan'ireo tsy maty manota, mitaky fanavaozana tena izy, mitaky fanganana"Assemblée des Jeunes",... Milaza moa ireto andiana tanora ireto fa mbola tsy vita ny tolona. Nifanandrify tamin'ny fihaonan'ny Filohan'ny Antenimierampirenena tamin'ny delegasionin'ny SADC tarihin-dRtoa Joyce Banda Filohan'i Malawi teo aloha moa ny hetsika sy dia nataon'ireo andiana tanora ireo saingy voalaza fa tsy tafiditra tao an-dapa sy tsy afaka nihaona tamin'ny delegasionin'ny SADC. Na eo aza ny fitakiana ataon'ireo andiana tanora ireo amin'ny handravana ireo rafitra samihafa, dia efa nisy ny arofaninana napetraky ny HCC tao anatin'ilay fanapahana laharana faha-10/HCC-D3 tamin'ny 14 oktobra 2025 izay mamaritra fa tsy azo atao ny mandrava ireo andrim-panjakana toy ny HCC, Antenimiera,... Tsy azo atao ny manao fitsipaham-pitokisana ny governemanta sy manongana ny Filoham-panjakana,... Mazava ho azy fa any amin'ny fanapahan-kevitra miainga amin'ny fikaondoham-pirenena no mety hahafahana mandrava sy manova rafitra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT