Politique

Anarana anaty lisi-pifidianana Hahazo 20 andro indray izay mbola tsy tafiditra


  • Alakamisy 08 Jona 2023

Hofaranana ny 10 jona izao ny lisitry ny mpifidy isaky ny distrika eto Madagasika, raha ny fandaharam-potoana nofaritan’ny CENI taorian’ny fifaranana vonjimaika tamin’ny fisoratana anarana ny 31 may lasa teo.

Nambara fa hanana 20 andro hanamarinana sy hisoratana anarana indray ny olompirenena aorian’ny 10 jona io. Haverina eny anivon'ny fokontany mantsy ny lisitra aorian’ny 10 jona). Omena 20 andro hanamarinana ny mombamomba azy ny olom-pirenena tsirairay. Afaka misoratra anarana, mandritra izany, izay mbola tsy tafiditra. Aorian’izay vao hifarana tanteraka ny Lisitry ny mpifidy sy ny Rejisi-pifidianana nasionaly, araka ny nambaran'ny filohan'ny CENI Dama Andrianarisedo ny talata teo, nandritra ny fizarana ny tambin-karama ho an'ny Vaomiera ifotony mpanisa mpifidy (CLRE) ka nanomezana ny toromarika momba ny asa atao aorian'ny 10 jona io. Hatreto, mbola tsy misy datim-pifidianana mazava, fa roritin’ny Fitondram-panjakana amin’izay mahamety azy na efa namoaka tolo-kevitra aza ny CENI, ary efa nankatoavin’ny HCC. Resahana foana ny hoe tsy maintsy hisy fifidianana Filoham-pirenena amin’ity 2023 ity, kanefa toa tsy manam-pahasahiana hamoaka ny didim-panjakana sy ny daty mazava ny governemanta, izay nilaza fa any amin’ny 12 jolay farafahatarany. Asa izay zavatra mbola hiseho eny antsefantsefany eny eo anatrehan’ny toe-draharaha politika ankehitriny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT