Anabavin-drajoelina kandida

Tsy sahy nanafoana ny filatsahan-kofidiany ny CENI


  • Alatsinainy 15 Aprily 2024

Dosiem-pifidianana isan’ny miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny an-dRtoa Voahirana Rajoelina.

Nilaza ho tsy mahatapak'ahitra sy tsy manana ny fahefana manoloana ny fangatahana fanafoanana ny fiatsahan-kofidiany ny CENI. Zokin'ny Filoha Andry Rajoelina moa i Voahirana Rajoelina ary kandida depiote ao amin'ny boriboritany faha-6 Antananarivo renivohitra. Kandida mahaleo tena amin’ny anaran’ny Shine and Rise ny tenany fa tsy amin’ny anaran’ny IRMAR. Tsy fantatra mazava ny anton’ny fangatahana fanafoanana ny firotsahany, fa ny tsikaritra tsy mba re siosio ny firotsahan’ity anabavin’ny Filoha ity, fa efa mivoaka ity hoe: CENI tsy mahatapaka ity vao hoe: hay kandida ny tenany? Raha ny fahafantarana azy rahateo dia lisitra 4 no fantatra ofisialy fa nanatitra dosie tao amin’ny OVEC dia ny Firaisankina tarihin’ny Depioite Todisoa Andriamampandry, ny Kolekitifa tarihin-dRtoa Tania Avanamiarantsoa, ny IRD lisitra tarihin-dRtoa Tantely Razanamandimbisoa, ary ny tsy miankina tarihin’Atoa Jean de Dieu Rakotonirina. Nangingina ve ny fanaterana ny dosie ho an-dRtoa Voahirana Rajoelina? Inona no anton’ny fangatahana fanafoanana? Noho ny fahatarana ve sa antony hafa mihitsy satria tsy voalaza ofisialy? Inona no antony tsy nahafahan’ny CENI nanapa-kevitra sy nilaza ho angady tsy mahatapak’ahitra? Matoa aloha misy fangatahana fanafoana dia misy zavatra tsy milamina. Tena tsy fahefan’ny CENI sa noho ilay olona anabavin’ny Filoham-pirenena? Raha miverina amin’ny fanapahan-kevitr’io rafitra io anefa dia nahatratra 17 be izao ireo kandida tonga neken’ny CENI ny fanapahan-kevitry ny OVEC nitsipaka ny firotsahan’izy ireo. Andrasana ny tohin’ity raharaha ity!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT