Politique

Ampela Manao Politika Mitaky fanapahan-kevitra haingana kokoa


  • Alakamisy 20 Oktobra 2011


 Tsy hita mihitsy izay mbola hampitarazohana ny fampiharana ny voalazan’ny sori-dalan’ny SADC rehefa nanaiky nanao sonia avokoa ny rehetra ary nanaiky ihany koa ny tovana nanampian’ny tompon-kevitra ny andininy faha-20 amin’izany, hoy Rtoa Rasamoelina Brigitte filoha nasionalin’ny antoko AMP (Ampela Manao Politika). Tokony hohafainganina avokoa ny fanendrena ireo tompon’andraikitra rehetra hitantana ny tetezamita hiaraha-mitantana, hoy izy, fa tsy hiandrasana an’ireo daty samihafa navoaka ireo indray toy ny hoe : 1 novambra ary 17 novambra. Efa maika sy dodona hiala amin’ny krizy ny vahoaka izay efa tena sahirana tanteraka, hoy izy, ka tokony hohafainganina ny fanapahan-kevitra rehetra. Nilaza ity mpitarika antoko sady filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita ity fa efa vonona tanteraka amin’ny fifidianana isan-tsokajiny, hatrany amin’ny rafitra ambany indrindra ka hatrany amin’ny faratampony, ny antoko AMP ary efa ela no niasa tamin’ny fanomanana izany.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT