Politique

Ampasikely Amparafaravola Ofisialy fa i Tati Sah no ben’ny tanàna


  • Alatsinainy 14 Desambra 2015

Nohamafisin’ny fitsarana miandraikitra ny ady amin’ny fanjakana tany Toamasina tamin’ny famoahana ofisialy ny voka-pifidianana tany amin’ity Faritany ity, ny fandresena azon’ny kandidà TIM, Raharimalala Saholinirina Marie Claudine na i Tati Sah, tao amin’ny kaominin’Ampasikely distrikan’Amparafaravola Faritra Alaotra Mangoro.

 

 Nahazo ny salan’isa 37,11% ny tenany raha 32,03% ny an’ny kandidà Dr Robinson Avana ary 30,84 ny an’ny kandidà Hvm. Misaotra ny fitsarana namoaka ny vokatra ara-dalàna araka ny safidim-bahoaka izy. Nanaporofo ireny, hoy i Tati Sah, fa nahery noho ny fampiasam-bola ny fifampitokisan’ny samy mpiara-monina.  Raha ny marina dia nandavo ny andrarezina mpanao politika ity vehivavy mpiompy sy mpambolin’Amparafaravola ity. Tsy mbola manaiky foana ny fahareseny anefa i Dr Robinson fa nilaza mbola hampiakatra ny fangatahana fandravana didy any amin’ny filankevi-panjakana. Vain-dohan-draharaha ary laharam-pahamehana ho an’ny ben’ny tanàna vaovao kosa, amin’ny maha tantsaha hiringiriny ny tenany, ny fanamboarana ny tohadrano hanondraka ny tanimbary izay fototry ny famokaran’ny any an-toerana. Mila hatao matihanina tsara ny fambolena any aminay, hoy i Tati Sah, fa manana velaran-tany 800 ha izahay  volena isan-taona. Maniry ihany koa ny tenako ny mba tokony hisokafan’ny Silo na fitehirizam-bokatra an’ny Tiko ao Vohidiala tsy ho ela satria tena nahazoan’ny mpamboly tombony ny fampiasana azy io. Mbola laharam-pahamehana ho anay any Ampasikely koa ny fananganana CEG any an-toerana sy ny fametrahana trano fivoahana ho an’ny daholobe.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT