Nohamafisin’ny fitsarana miandraikitra ny ady amin’ny fanjakana tany Toamasina tamin’ny famoahana ofisialy ny voka-pifidianana tany amin’ity Faritany ity, ny fandresena azon’ny kandidà TIM, Raharimalala Saholinirina Marie Claudine na i Tati Sah, tao amin’ny kaominin’Ampasikely distrikan’Amparafaravola Faritra Alaotra Mangoro
. Nahazo ny salan’isa 37,11% ny tenany raha 32,03% ny an’ny kandidà Dr Robinson Avana ary 30,84 ny an’ny kandidà Hvm. Misaotra ny fitsarana namoaka ny vokatra ara-dalàna araka ny safidim-bahoaka izy. Nanaporofo ireny, hoy i Tati Sah, fa nahery noho ny fampiasam-bola ny fifampitokisan’ny samy mpiara-monina. Raha ny marina dia nandavo ny andrarezina mpanao politika ity vehivavy mpiompy sy mpambolin’Amparafaravola ity. Tsy mbola manaiky foana ny fahareseny anefa i Dr Robinson fa nilaza mbola hampiakatra ny fangatahana fandravana didy any amin’ny filankevi-panjakana. Vain-dohan-draharaha ary laharam-pahamehana ho an’ny ben’ny tanàna vaovao kosa, amin’ny maha tantsaha hiringiriny ny tenany, ny fanamboarana ny tohadrano hanondraka ny tanimbary izay fototry ny famokaran’ny any an-toerana. Mila hatao matihanina tsara ny fambolena any aminay, hoy i Tati Sah, fa manana velaran-tany 800 ha izahay volena isan-taona. Maniry ihany koa ny tenako ny mba tokony hisokafan’ny Silo na fitehirizam-bokatra an’ny Tiko ao Vohidiala tsy ho ela satria tena nahazoan’ny mpamboly tombony ny fampiasana azy io. Mbola laharam-pahamehana ho anay any Ampasikely koa ny fananganana CEG any an-toerana sy ny fametrahana trano fivoahana ho an’ny daholobe.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.