Ampamoakan’i Tahina Razafinjoelina

Hamarinin’ireo ela nietezana tao amin’ny TIM hatrany


  • Alakamisy 28 Novambra 2024

Nanomboka tamin’ny nanapahan’ny ben’ny tanàna teo aloha sady mbola kandidà ho ben’ny tanàna ao Ivato

hevitra hirotsaka amin’ny anaran’ny tenany manokana fa tsy amin’ny anaran’ny antoko politika Tiako i Madagasikara na TIM intsony no efa tsikaritra fa miha tsy milamina hatrany ny fiarahamonina ao anatin’ity antoko ity. Tsy izaho no nanary ny TIM, hoy i Penjy Randrianarisoa, tamin’izay fotoana izay fa ny TIM no nanary ahy. Nilaza moa ny mpanakanto Bodo, izay isan’ireo nanorina izany antoko TIM izany niaraka tamin’ny filohany Marc Ravalomanana, taorian’ny ampamoakan’i Tahina Razafinjoelina, izay kandida ho ben’ny tanàna atolotry ny antoko politika Tia tanindrazana eto Antananarivo renivohitra, fa tafiditr’ireo mpanao fiavin’ny tafara na «Virus» ny TIM, ary nilazany fa samy akaiky ny fony ny kandida roa fa nisafidy ny hanohana ny kandida mitondra ny laharana faharoa na n°2 izy. Nilaza ho nisintaka noho ny antony mifandraika tamin’izany koa avy eo ny ben’ny tanànan’i Talatamaty teo aloha, Elie Dominique Raharinoasy, ary izao milatsaka amin’ny anaran’ny tenany manokana izao. Farany teo moa dia ny ben’ny tanànan’Ampitatafika teo aloha, izay mbola nisafidy ny hilatsaka ho ben’ny tanànan’Ampitatafika indray amin’ny anaran’ny TIM ihany aloha no tsy nisalasala nilaza fa potehin’ireo mersenera politika ankehitriny ny TIM. Toa hamarinin’ireo ela nietezana tao amin’ny TIM hatrany, araka izany, ny ampamoakan’i Tahina Razafinjoelina izay nanasongadina fa nisy tokoa ny tsy nety.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT