Politique

Ampamoakan’i Siteny “Banky ropitra ny Fanjakana, tsisy antenaina intsony”


  • Alakamisy 04 Mey 2023

Miha mahery vaika ny daozin’ny fifandonan-kevitra eo amin’ny mavomavo sy ny volomboasary ho an’ny lafiny politika. Manomboka miditra amin’ny resaka fifandrahonana hamoaka dosie maloto,

ary efa misy aza moa izany, ankoatra ny kabary politika tena mangotraka. Manabaribary izany ny nilazan’I Siteny Randrianasoloniaiko tao Marovoay omaly hoe: “Aza terenareo I Siteny Randrianasoloniaiko hamoaka ny dosienareo”, izay naverimberiny maromaro. Isan’ny noresahany ny resaka fanafarana vary, fa nisongadina ny filazany fa banky ropitra ny Fanjakana. “Maheno ahy ianao Atoa Filoha androany, maheno ny praiminisitra, governemanta rehetra, fa ambaranay eto androany fa banky ropitra na “fallite” tsy misy vola intsony ny Fanjakana. Raha diso ny teniko dia avoahy gazety fa diso, teneno fa mandainga aho”, hoy I Siteny Randrianasoloniaiko. Nilaza fa mbola tsy nisy governemanta na Fanjakana nampihena vola, ary niaiky, hoy izy, ny Filoha Rajoelina tamin’ny Fivondronan’ny mpandraharaha hoe: tsy afaka intsony izahay, tsy manam-bola, tsy afaka manome io karama farany ambany io. Nampanantena fa ny karama farany ambany 250 000Ar saingy niteny ny mpandraharaha fa tsy manana an’izany, nampanantena fa hanome 12000Ar ny Filoha ho an’ny tsy miankina. Inona no antenaina amin’io, efa tsy manjary io, tsisy vola ny Fanjakana, hoy hatrany I Siteny Randrianasoloniaiko. Ny 24 aprily moa no nisy ny fihaonana teo amin’ny Filoha sy ny Vondron’ny orinasa na ny GEM, ary tao no nivoaka io resaka io. delestazy efa tsy voafehy intsony, tsisy solika,… Efa vonona I Sahofika sy Volobe, efa vonona ny vola fa sonia sisa andrasana. Efa tokony ho vita fa tsy atao, misy halatra goavana ataon-dry zareo ao amin’ny Jirama, isika maty fa izy ireo migalabona, hoy hatrany I Siteny Randrianasoloniaiko. Andrasana ny valin-kafatra na fanazavan’ny Fanjakana!
VARY 1 TAPITRISA TAONINA …
Ankoatra izay, nanao ampamoaka ihany koa izy fa ny marina dia mihoatra ny vidin’ny vary eto ny hividianana any ivelany kanefa ny varin’ny tantsaha eto tsy vidiany. Namoaka antontan’isa mihitsy fa miditra 1 tapitrisa taonina ny vary nafarana tany ivelany, ka nanambarany fa tsy ny fitiavana fa ny bizinesy no lehibe indrindra. Nampahatsiahy fa tamin’ny 8 oktobra 2010 no tonga tao Marovoay ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina nampanantena asa, masomboly, hanamboatra tohodrano, nilaza fa hatao mpanondrana vary any ivelany I Marovoay. 13 taona aty aoriana, tamin’ny 11 febroary 2023, tsy lasa mpanondrana vary fa nofahanana “riz cantonais”. Tanàna sompitra faharoa amin’ny famokarana vary eto Madagasikara dia izao no zava-misy ka mahamenatra, ka ampy izay ny lainga, ka iza, hoy izy, no mandainga : ilay nampanantena hatrany amin’ny 13 taona lasa sa izahay mijoro fa tsy rariny intsony izao?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT