Voaheloka 20 taona sazy mihatra i Médecin-Colonel Patrick Rakotomamonjy.
Olona iray hafa hafa voalaza fa mpiray tsikombakomba taminy nahazo 10 taona an-tranomaizina. Ireo voarohirohy ambiny kosa nahazo fahafahana noho ny fisalasalana. Io ny tatitra ankampobeny mikasika ny fanamelohana ity manamboninahitra ity, izay tsy dia nisy filazana sy fampahafantarana mialoha ny fisian’ity raharaham-pitsarana ity. Tsy dia fantatra ofisialy ny vesatra, saingy raha raisina tamin’ny fanehoan-kevitr’ireo manam-pahefana ara-tafika sy sivily tany amin’ny fiandohan’ity raharaha ity dia heverina fa tafiditra ao ny fanasokajiana azy ho nanao fikomiana ara-miaramila, manohintohinana ny filaminana anatin’ny Firenena, manao asa fampihorohoroana,… Raha hiverenana, voarohirohy ho nametraka « cocktail molotov » niaraka tamin’ny taratasy fandrahonana mpandraharaha mpanefoefo sy mpitondra Fanjakana teny amin’ny PAC (Pôle Anti-corruption) 67Ha sy tetsy amin’ny Villa Pradon Antanimena. Voasambotra ny 14 aprily 2025 i Kolonely Patrick Rakotomamonjy, saingy fotoana fohy ihany dia tafaporitsaka, ary naneho fa misy zandary maro ao an-damosiny. Namoahana fikarohana nanomboka ny 18 aprily, ka ny Fitondrana Malagasy no voalaza fa mpitory. Nahatratra 30 ny olona nalaina am-bavany, anisany nalefa tany am-ponja ny vadiny, saingy navoaka noho ny toromarik’i Andry Rajoelina. Nisesy avy eo ny karazana ampamoaka namelezany ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga, Minisitry ny fiarovana Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, mpandraharaha karana,… Tafiditra tamin’izany ny nilazany fa misy kolikoly goavana mitranga ao amin’ny hopitaly miaramila CENHOSOA, nanononany anarana manamboninahitra ambony. Sesilany ny fanambarany nandrahona mpandraharaha matanjaka toy ny hoe : "manomboka ny opération Ravatomanga", ary tsy hamelany ity farany. Nisy toromarika ara-miaramila nanentana fanaraha-maso, fiomanana,... Nanome fe-potoana herinandro voalohandohan’ny volana jona mba hitolo-tena ilay mpandraharaha sy ny vadiny. Naneho fa efa mafana ra ny vahoaka, mafana ra ny miaramila,… Nampitandrina mivantana mihitsy an’i Andry Rajoelina mba handray andraikitra sao hipitika aminy ny rihitra. Tonga hatrany amin’ny fanairana sy fiantsoana ny Vondrona Iraisam-pirenena,… Nangina sa mbola misy zavatra mikotrika satria inoana sy heverina fa tsy tongatonga ho azy sy tsy nandehandeha ho azy ireny !
AVO LENTA ! HO VITAVITA HO AZY ?
Niteraka resabe teo amin’ny tontolo politika sy ara-piarovana ny fanambarana samihafa nataony, ny naha tafaporitsaka azy. Samy niandry ny mpanara-baovao hoe : inona sy iza no ao ambadiky ny fihetsiny ? Izy izay tsy tena namely ny Filoham-pirenena na ny fitondrana ankampobeny, fa nitsipona olona manokana toa ny mpandraharaha Ravatomanga, ny Minisitry ny fiarovana,… ka isan’ny nanaitra tao anatin’izany ihany koa ny nilazany fa efa nisy fikotrehana Fitondrana miaramila na « Directoire militaire » talohan’ny fifidianana filoham-pirenena 2023 nisian’ny sakoroka politika. Nanao fanambarana in’efatra teo ity manamboninahitra ity izay azo antoka fa tsy eto Madagasikara. Iza no tao ambadiky ny fanavotana azy ? Iza no nitondra azy any an-dafy ? Fanagadrana 20 taona ny valy bontana, heverina fa hamotehana azy,… saingy amin’ny fomba ahoana no hampiharana azy ? Hamoaka fampisamborana iraisam-pirenena ny Fanjakana ? Efa nisy ireo mpitsoa-ponenana ara-politika namoahana sazy henjana toa an-dry Fanirisoa Ernaivo, fa tsy nety vita ny nampody azy teto. Asa inona indray no valy bontana avy amin’io Kolonely io ? Ho tonga hatraiza sa nitsefotra ny tanjon’i Kolonely ka hikatona hatreo ity resaka ity ? Mandeha ila ihany koa ve ny raharaha ka sokajiana ho tsy marina avy hatrany ireo karazana ampamoaka ka tsy ilàna fanadihadin’ireo rafitra samihafa toy ny Bianco, PAC, SAMIFIN,… mba hahafantarana ny fahadisoany na fahamarinany ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.