AMF

3FM


  • Talata 31 Desambra 2013

Manamafy hatrany ny heviny amin’ny tokony hangalan’i Marc Ravalomanana sy Andry Nirina Rajoelina tahaka ny nataon’i Nelson Mandela, ny AMF/3FM tarihan’ny filohany ny Rév Ndriamanampy Satrobory, samy hitarika ny mpomba azy avy ho any amin’ny fampihavanana fa izay no hampisy fitoniana eto amin’ity firenena ity.

Manao antso avo amin’ny CENI-T sy ny CES koa ity mpitari-tolona ity, manoloana ny zava-misy eo amin’ny fanisam-bato ankehitriny, mba hanaiky ny fangatahan’ny rehetra amin’ny hanaovana ny fampitahana ny vokatra na ny «confrontation» ny PV rehetra toy ny natao tany Mantasoa tamin’ny taona 2002 izay nahitam-bokatra ary mba tsy hisian’ny ady an-trano mitady hananontanona eto. Mahatoky izahay AMF/3FM, hoy ny Rév. Satrobory, fa hihaino ny feon’ny Malagasy ny ambasadaoron’i Frantsa ka hampita any amin’ny «Quais d’Orsay» fa ampy izay. Inoana fa tsy ho tonga tahaka ny nanjo an’i Mayotte sanatria i Madagasikara. Ho anareo kandidà mirahalahy lah-3 sy lah-33 kosa dia manao antso avo aminareo koa izahay amin’ny maha raiamandreny anay. Ny taranaka sy ny zava-misy rehetra eto no jereo. Maniry aho fa hanatrika ny «confrontation» irian’ny rehetra ianareo na dia ho rahampitso dia rahampitso aza, satria ho tompon’andraikitra eo anoloan’ny tantara ny tenanareo sy ny taranakareo.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT