AMBOSITRA

Kandida tsara toerana ny Pr Raphaël


  • Alatsinainy 13 Mey 2024

Raha ny tena marina dia ny datim-pifidianana handrotsaham-bato sisa no andrasanay dia efa milamina ny resaka,

hoy ireo mpiaradia sy mpanohana ny Kandida laharana voalohany Raphaël Rakotozandrindrainy ao amin'ny distrikan'Ambositra faritra Amoron'i Mania. Miavaka ity kandida ity satria dia samy manohana azy ny Kôlekitifa an'ny Malagasy sy ny vovonana Firaisankina, raha fintinina dia ilay collectif des candidats 11 tamin'ny tolona 2023 izany no ao ambadiky ny Pr Raphaël. Mbola miampy ireo antoko sy fimbanana maro be , ireo mpandraharaha, olom-pirenena nahatsapa fa nahavita be izy tamin'ny naha ben'ny tanànan'Ambositra azy ary mbola atokisana fa hanao izay tena hanasoavana ny faritra Amoron'i Mania raha lasa depiote eo. Nifamotoana tamin'ny vahoaka tao Antampovinany ny Profesora Raphaël Rakotozandrindrainy sy ireo mpiray lisitra aminy ny sabotsy lasa teo.Tazana nanotrona azy nandritra izany ny Filohan'ny Antoko FTT, Tahina Razafinjoelina, sy Jean Jacques Ratsietison mpitarika ny FMI Malagasy . Samy avy ao amin'ny vovonan'ny Kôlektifa an'ny malagasy izy mianaka ireto. Tonga nanamafy ny fifanohanana sy ny fanohizana ny tolona ho an'ny fanovana . Azo hanohizana tsara ny tolona efa natomboka tamin'ny 2023 eny amin'ny antenimieram-pirenena ka hametrahana solombavambahoaka tena hiaro tokoa ny tombotsoa isam-paritra, hampita tsy misy fanodinkodinana ny hetahetam-bahoaka ary hanaramaso hentitra ny asan'ny governemanta.Nampitombo ny ambiansy tany an-toerana moa ny fanafanana ny fihaonana nataon-dry Oladad sy Da7.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT