Politique

Ambohitsorohitra Voatsipaka koa i Zazah Ramandimbiarison


  • Alarobia 19 Oktobra 2011

Omaly no nivoaka ny didy hitsivolana laharana 2011–633 izay manafoana ny didy hitsivolana N°2009–286 tamin’ny 30 martsa 2009 izay nanendry an’i Zazah Ramandimbiarison ho talen’ny kabinetra an’ny fiadidiana ny tetezamita.

 Rajohnson Rija Olivier Hugues no nandray ny toerany nanomboka omaly. Izany dia tafiditra indrindra ao anatin’ny lojikan’ny fifandimbiasan-toerana, raha araka ny fanazavan’ny mpitondra tenin’Ambohitsorohitra. Ho an’ny mpanara-baovao kosa dia nisy fiantraikany teo amin’ny fifandraisan’i Andry Rajoelina sy Zazah Ramandimbiarison ny resaka nivoaka an-gazety sy tamin’ny internet “Wikileaks” mitatitra ny fihaonana miafina teo amin’ity talen’ny kabinetra ity tamin’ny ambasadaoro amerikanina teto teo aloha, Niels Marquardt, mitsikera ny fomba fiasan’i Andry Rajoelina, ankoatra ny resaka hafa ary dia novidiany lafo izany, ka mety nohararaotina ny vanim-potoana mahaseriny ny rehetra any amin’ny ady seza nanilihana azy, mba tsy hiteraka adihevitra. Ankoatra izay dia karazan’ny pi-maso amin’ny Leader Fanilo ihany ny nanendrena an’ingahy Rajohnson Rija, minisitry ny rano sy ala taloha. Marihina fa mpirahavavy ny andefimandriny sy Razafimahaleo Herizo. Araka ny fantatra moa dia i Pierre Houlder, no efa saika hotendrena teo amin’io toerana io.

S.T

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT