Politique

Ambohitsorohitra Totoafo ny fivorian’ireo Jeneraly


  • Alarobia 12 Oktobra 2011

Mikoropaka be mihitsy amin’izao fotoana izao ny FAT, indrindra ireo miaramila jeneraly izay mitana ny fibaikona eo anivon’ny foloalindahy.

 . Na tiana na tsy tiana, misy ny resaka tsy milamina matoa misy hatrany ny fampiantsoana eny Ambohitsorohitra tao anatin’ny roa andro izay. Araka ny tsiliantsofina dia mbola miziriziry hatrany amin’ny tsy fampidirana ny filoha Ravalomanana eto an-tanindrazana ireo be kintana sasany. Misy kosa anefa ireo izay efa te hilefitra ihany noho ny fahatsapana fa ambony ny tombotsoam-pirenena. Izany rehetra izany no hiadiana hevitra isan’andro eny Ambohitsorohitra.

Anisan’ny fanomanana ny hevitra entina handresena lahatra ny SADC noho izany ny anton’ny fivoriana. Raha ny teny amin’ny hotely Paon d’Or nialoha ny fanasoniavana ilay tondrozotra dia anisan’ireo nidrikina mafy tsy nanaiky ny hodian’ny filoha Ravalomanana eto ny jeneraly Ravalomanana Richard. Tsy eto an-toerana izy amin’izao fotoana izao fa mitsabo tena any Maorisy. Iza no sahy hidrikina amin’ireo be kintana manoloana ireo andiana miaramila ambony, tarihin’ny jeneraly, Nyembe Jeremiah Mduduzi, teratany afrikanina tatsimo nalefan’ny SADC manokana mihitsy eto Madagasikara ? Ahiana ihany koa anefa ny fisian’ny resaka hafa any ambadika any fa ny jeneraly tahaka itony tsy mihetsiketsika foana amin’ny toerana izay misy azy raha tsy hijery ny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ho hita eo ny tohiny.

Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT