Politique

Ambohimangidy - Ampitatafika Raikitra ny asa fanamboaran-dalana


  • Talata 08 Desambra 2015

Efa miroso tanteraka amin’ny asa fampandrosoana nampanantenainy ny vahoaka ankehitriny ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Ampitatafika Ramparaoelina Rado. Voakasik’izany manokana ny asa fanamboaran-dalana ao Ambohimangidy,

 

fampanantenana nataony tamin’ny vahoaka nandritra ny fampielezan-kevitra. Efa manomboka ny asa, famatsiam-bola notadiavin’ny kaominina ihany. Mitentina 250 tapitrisa Ar ny vola hanatanterahana izany  raha mahatratra 1 km sy sasany kosa ilay lalana izay hatao rarivato manontolo. Hotanterahina tsy ho ela ihany koa ny fametrahana ireo jiro an-dalambe entina hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana. Notsindriany manokana ny ao amin’ny Fokontany Avaratetezana, fokontany anisan’ny be mponina indrindra ankoatra ny fananganana fikambanana hisahana manokana ny fanaraha-maso ny fahazoan’ny mponina rano fisotro madio izay nisy tatitra diso teo aloha, raha araka ny fanazavan’ity Ben’ny tanàna ity hatrany. Mikasika ny ady hatao amin’ny tondra-drano mandritra ny fotoam-pahavaratra manokana moa dia nambarany fa  horaisin’ny minisiteran’ny asam-panjakana ny fanamboarana ilay fefiloha iray ao an-toerana. Na izany aza anefa dia notsindrian’ity Ben’ny tanàna ity fa mbola ho tratran’ny tondra-drano hatrany Ampitatafika raha tsy vita ilay fefiloha iray eny Androhibe eny.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT