AMBODIMITA AMBOHIMANARINA

Vitan’i Depiote Todisoa ihany koa ny làlana 800m


  • Alakamisy 25 Aprily 2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Tahaka ny tany amin’ireo fokontany hafa ao anatin’ny Boriborintany faha-6, vitan’i Depiote Todisoa Andriamampandry ihany koa lalana mirefy 800m, fa tsy diso anjara ny vahoakan’Ambodimita. Nidina teny an-toerana nijery ny asa ka nitafa mivantana tamin’ireo mponina ny tenany, ka entanina hatrany ny vahoaka mba hikojakoja foana ireo fotodrafitrasa maro efa vita, hoy ity depiote ity. Tsy vao sambany tamin’ny asa sosialy, indrindra fa ny fanajariana ny tanàna amin’ny alalan’ny fanamboarana ireo làlana noho ny fangatahan’ny mponina nataon’ity depiote ity io, ka nohamafisiny fa samy mahazo ny anjarany avokoa moa ny 31 fokontany. Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy, hoy hatrany ny depiote Todisoa Andriamampandry nanamafy ny fahavonany hifanome tànana hatrany na dia tsy andraikitry ny depiote aza.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT