Ambatofinandrahana

Hifampitady fanintelony i Richard R. sy Christine R.


  • Zoma 17 Mey 2024

Nivadika tanteraka ny rasa ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana.

Hifampitady fanintelony izany izao ny kandidam-panjakana taloha, Christine Razanamahasoa, izay nirotsaka hatrany tamin’ny anaran’ny vovonana politika IRD na Isika rehetra distrika miaraka amin’i Andry Rajoelina ny taona 2013 sy 2018 sy ny kandidam-panjakana vaovao, Richard Razafindrabary, izay nirotsaka tamin’ny anaran’ny IRMAR na Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina ankehitriny, raha toa ka nirotsaka tamin’ny anaran’ny tenany manokana na «indépendant» ny taona 2013 sy 2018 ary nifampitady hatrany tamin’ny filohan’ny antenimieram-pirenena na PAN teo aloha voalaza teo raha ny isan-jato tamin’ny vato azon’ny 2 tonta ankehitriny. Ny taona 2018 aza moa efa niteraka adihevitra be mihitsy ny hoe tokony ity kandida nahazo ny laharana faharoa ity no lany fa tsy ny PAN teo aloha. Ankehitriny izany dia ilay kandida mahaleotena teo aloha indray no lasa kandidam-panjakana raha toa ka ilay kandidam-panjakana teo aloha no lasa nandeha amin’ny anaran’ny tenany manokana. Nalaza ho kandida nisokatra tamin’ny fomba fijery maro lafy na koa hoe nisokatra tamin’ny adihevitra rehetra ny kandida Richard Razafindrabary tao anatin’izay 10 taona mahery izay ary mampametra-panontaniana ankehitriny ny hoe inona izany no antony nisafidianany hiaraka indray amin’ny vondrona politika tohanan’ny fitondram-panjakana? Etsy ankilany, ny kandida Christine Razanamahasoa dia efa fantatry ny mpanara-baovao politika maro hatramin’ny taona 2009 saingy nisongadina indrindra kosa rehefa naneho fahasahiana nitondra tsikera mamaivay manoloana ny tsy fihetezan’ny fomba fitondrana ny firenena amin’izao fotoana izao. Heverina nefa fa tena matanjaka ary manao angaredona azy ihany koa ireo antoko politika, vondrona politika ary fikambanana toy ny AFF, izay tarihin’ny filohany, Haingo Ravatomanga, sy ny fikambanana Mandresy, izay tarihin’ny jeneraly Jean Louis Andriamifidy, izay voalaza fa talen’ny kabinetran’ny CENI teo aloha no sady efa tale jeneralin’ny Bianco ihany koa, manohana ity kandida atolotry ny IRMAR ao Ambatofinandrahana, Richard Razafindrabary, ity. Tombanana ho tena hangotraka, araka izany, ny fifidianana solombavambahoaka ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana ao satria dia hifampitana na hanao «face à face» amin’izay ireto kandida miisa 2 ireto.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT