Politique

Alexis Thambwe Mwamba “Diso ireo mihevitra fa Rajoelina no vahaolana ho an’i Madagasikara”


  • Alatsinainy 01 Febroary 2010

Raha nitafa tamin’ny onjam-peo RFI ny minisitry ny raharahambahin’ny Repoblika demokratikan’i Congo, i Alexis Thambwe Mwamba dia nanao indray mijery ny zava-misy eto Madagasikara.

 

Tamin’izany no namakiany bantsilana fa misy vondrom-pirenena sy vondron’olona manana tombontsoa eto Madagasikara manosika an’i Andry Rajoelina hiziriziry amin’ny fanapahan-kevitr’olon-tokana, ka tena sakana amin’ny famahana ny olana. Tsy nolazainy moa ireo firenena na vondron’olona ireo. Nampirisihina i Andry Rajoelina, hoy i Alexis Thambwe Mwamba, hikarakara samirery ny fifidianana eto Madagasikara. Azony atao tsara izany fifidianana izany, amin’izay hoenti-manana eo am-pelatanan’ny fanjakana ary dia handresy izy amin’izay. Tsy hitondra fiovana mankaiza anefa izany, hoy ity minisitra ity satria tsy hankatoavin’izao tontolo izao. Tsy hisy firenena eo anivon’ny SADC hankato io fifidianana io ary manomboka eo dia hiditra amin’ny dingana faharoa, ao anatin’ny fampiharana ny ampahan-tsazy ho an’io firenena io izahay, hoy ingahy Mwamba tamin’ny Rfi.
Nilaza i Alexis Thambwe Mwamba fa diso hevitra ireo firenena mihevitra fa ny lalan-tokan’i Andry Rajoelina no ho vahaolana ho an’i Madagasikara satria mpanao politika tohanan’ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy no hifanatrika aminy. Hany ala olana, hoy ihany izy, dia ny fanekena hametraka ireo rafitra iraisana ary fe-potoana fohy ihany ny tetezamita.
Momba an’i Jean Ping izay betsaka no mihevitra fa tsy manao izay tokony hataony amin’ny maha filohan’ny vaomieran’ny Firaisambe Afrikanina azy fa hoe : vaolangolangon’ny Frantsay, dia nambaran’i Mwamba fa tsy karazan’olona mora ahodinkodina i Jean Ping ary raha ny momba ny raharaha Madagasikara dia tsy nivoaka tamin’izay kisary noheverin’ny SADC ny tenany.
 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT