Nohadihadian'ny mpitsara mpanao famotorana i Mahery Lanto Manandafy omaly, taorian’ny fampidirana azy am-ponja vonjimaika nanomboka ny 30 septambra 2022 teo.
Raha samy nieritreritra ny rehetra fa noho ny raharaha nitorian’ilay teratany vahiny Olivier Blancard azy tamin’ny ampamoaka nanonona ity farany ho mpamatsy bala ny dahalo, dia antony hafa mihitsy. Tsy mbola misy tohiny na ny fitsarana azy momba iny raharaha iny na ny fitoriany noho ny fandrahonana azy ho faty voalaza fa nataon’io teratany vahiny io. Raharaha hafa mihitsy, dia ny fanaparitahana sarin'ny valizin'ny Filoham-pirenena tamin’ny tambazotran-tserasera no nanadihadiana azy, araka ny fampahafatantarana nataon’ny vadiny Doris Rakoto Samuel. Tranga efa tany amin’ny 10 aogositra 2022 moa ity, ka olona 20 no voarohirohy ka ny iray izay voalaza fa naka ny sary dia mpamily tany amin’ny Masoivohontsika eo anivon’ny Unesco tany Paris, izay nampodiana teto ary nalefa any Tsiafahy. Ny 19 napetraka teo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana ka ny 2 amin’iro mpiasa eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, niampy olona 17 hafa.
NOFOHAZINA INDRAY NY DOSIE
Io dosie io izay noheverina fa efa nikatona sy nangina, saingy nofohazina indray ankehitriny. Ny fiandohan’ny volana septambra, nisy ny seraseran’ny Mpitondra Fanjakana nilaza fa saika hosisihana «grenade» hapoaka ny entan’ny Filoha, saika hovonoina mihitsy izy sy ny vady aman-janany. Mbola nitondran’i Mahery Lanto Manandafy fanamarihana indray rehefa nivoaka izany serasera izany hoe: “Fa dia tena tsy nisy nanazava tamin’i prezida sy Rinah mihitsy ve fa 7 segaondra dia manao “boum” ilay grenady”. Tsy misy resaka na filazana aloha hatreto fa nisy nosaziana na nesorina na henjehina ny tompon'andraikitry ny arofenitra na ny mpiambina ny Filoha satria raha mitombina izany fa tsy resaka hiniana hankalazaina, dia ny arofenitra mihitsy no tsy mandeha amin’izay laoniny, ny mpiambina mihitsy no manao tsirambina,… fa ry Mahery Lanto indray no isan’ny nampidirina ao anatin’ny dosie. Tsy anisany voaantso natao fanadihadiana niaraka tamin'ireo olona 20 tany aloha anefa i Mahery Lanto Manandafy, tamin'ny fotoan'androny, saingy io voapaingotra io noho ny fanapariahana ilay sary. Rehefa zohiana, mitombo izany ny vesatra hanenjehana azy, ary mety hampanaovina krismasy any am-pigadrana. Ny raharaha mahakasika azy mivantana na ny fitoriana azy na ny fitoriany tsy misy tohiny dia misosoka manao randran-tarihina ny vesatra hafa. Nilaza moa i Mahery Lanto Manandafy, araka ny famoaham-baovao nataon'i Doris Rakoto Samuel vadiny, fa raha mbola misy famotehana fiainan'olona toy izao, dia hijoro hatrany ny tenany. Tsikaritra ho feno herintsaina sy fahavononana hisedra ny zava-misy ity zanak’Itompombokaly Manandafy Rakotonirina ity nandritra ny fiakarany teny amin’ny fitsarana, ary tonga nanotrona sy nanohana azy ireo namany, indrindra fa ireo mpisintona lakolosy. Taorian’ny famotorana nataon’ny Fitsarana azy, naverina eny amin’ny Fonjan’Antanimora I Mahery Lanto Manandafy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.