Alban Rakotoarisoa

“Ampiasain’ny fanjakana ny Air France hampangina ny vavako…”


  • Zoma 08 Desambra 2023

Naharitra dia naharitra ny fotoam-pitsarana ny raharaha Alban Rakotoarisoa

na Gangtabab izay nifanandrinany tamin’ny orinasa Air France tetsy amin’ny filankevim-panjakana etsy Anosy omaly tokony nanomboka tamin’ny 10 ora maraina. Efa harivariva taty amin’ny 5 ora taty mihitsy izany, raha ny fampitam-baovao voaray, vao nivoaka ny fitsarana an-tampony ny lehilahy sy ireo mpanontrona azy. Nofoanan’ny filankevim-panjakana omaly, raha ny didim-pitsarana nivoaka, ny fanapahana navoakan’ny tribonaly misahana ny raharaham-panjakana na “tribunal administratif” eto Antananarivo izay mandidy ny fitsirihina mikasika ny anton’ny fandroahan’ny orinasa fitaterana ana habakabaka Air France ity mpanao politika, mpanakanto sady mpiasan’io kaompaniam-pitaterana io ity. Mandram-piandry ny fanafoanana na “annulation” izany tanteraka kosa amin’io taona 2024 dia tsy afaka ny handray ny toerana nisy azy teo anivon’ny orinasa aloha ny voakasik’ity raharaha ity na dia isan’ireo sokajiana ho mpitantan-draharaha ao anatin’izany, izany hoe, “cadre” aza. Nisy ihany koa, raha ny fanazavana hatrany, ny fanararaotam-pahefana tsikaritra teo anivon’ny fitsirihina ny asa na “inspection de travail” ka dia andrasana, araka izany, ny mety ho tohin’ity raharaha ity. Ampiasain’ny Air France izany ny fanjakana sy ny fitsarana handroaka ahy amin’ny asa dia ampiasain’ny fanjakana ny Air France hampanginana ny vavako ara-politika, hoy kosa i Gangstabab.
J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT