Politique

Alatsinainy mainty 14 taona katroka anio


  • Alakamisy 26 Janoary 2023

Feno 14 taona katroka anio 26 janoary 2023 ny alatsinainy mainty na “lundi noir”, fotoana nahamainty tanteraka ny lanitr’I Iarivo.

Io alatsinainy mainty 26 janoary 2009 io no ivon’ny fanonganam-panjakana sy ny famotehana teto amin’ny firenena. Fotoana isan’ny nampitsiriana ny kolontsain’ny ory hava-manana sy ny barofo, hany ka maro ireo fananan’olona norobaina sy nopotehina teto Antananarivo sy tany amin’ny faritra maro. Anisan’izany ny an’ny filoha tamin’izany fotoana. Mandrak’ity ny androany, betsaka tamin’ny fananan’olona potika sy rava tamin’izany no tsy fafarina intsony, betsaka ny olona no niova tanteraka ny fiainany nanomboka teo, potika sy rotika ary tapi-dalan-kaleha,… Ny fananana potika sy rotika mety tafarina ihany, fa manao ahoana ny firenena amin’ny ankampobeny 14 taona aty aoriana? Nitondra soa sy fivoarana ho antsika ve ny revolisionina nodradradraina tamin’izany sa novidian-dafo mandrak’androany? Efa miadana sy mihinana vary 500Ar/kg sy menaka 2500Ar/L ve ny vahoaka Malagasy ankehitriny? Mbola nahazo fahefana indray ny tompon’andraikitra tamin’izany ka aiza ho aiza ny fiainam-bahoaka Malagasy amin’izao? Matoa nanao revolisionina sy nandrombaka fahefana dia tokony hahavita bebe kokoa noho ny nahongana na nodimbiasana, ary tokony ho lesona ho an’ireo izay mieritreritra mbola hitondra firenena izany. Tsy finiavana hitanisa ny lasa sy hamoha fotamandry, fa kosa mila ampahatsiahivina ny tantara, mba hakana lesona. Akaiky fifidianana, ary ao anatin’ny vanim-potoana mafampana rahateo I Madagasikara.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT