Anio amin’ny telo ora tolakandro no hanambara ny voka-pifidianana vonjimaika eny amin’ny foiben-toerany eny Alarobia ny vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana na ny CENI-T.
14 andro taorian’ny fifidianana ny 25 oktobra izany no voaangon’ny CENI-T avokoa ny voka-pifidianana rehetra avy any amin’ireo birao fandatsaham-bato miisa 20 001 manerana ny Nosy. Inoana fa tsy dia hisy fiovana intsony ny vokatra, ary raha ny tarehimarika misy eny amin’ny CENI-T no raisina dia ny Dr Robinson Jean Louis sy Atoa Hery Rajaonarimampianina no hiatrika ny fihodinana faharoa amin’ny 20 desambra. Re koa anefa dia hamory mpikambana (vitsivitsy) ao amin’ny governemanta i Andry Rajoelina anio, amin’ny ora mitovy amin’ny hanambaran’ny CENIT ny voka-pifidianana. Misy loharanom-baovao akaikin’ny CENI-T aza milaza fa dia nangataka fanemoram-potoana ora iray tamin’ny CENI-T ny lehiben’ny governemanta noho io fivoriana maika ao Ambohitsorohitra io. Tsy fantatra moa na hanaiky izany fangatahana izany ny CENI-T na hanaja ny maha andrim-panjakana mahaleotena azy. Tsara ho marihina rahateo fa dia nasaina hanatrika ity lanonana hanambaran’ny CENI-T ny voka-pifidianana vonjimaika ity avokoa na kandida, na mpanao gazety, na masoivoho vahiny sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy, ankoatra ny andimpanjakana hafa. Mipetraka ary eto ny fanontaniana hoe, inona no ao ambadik’ity famoriana minisitra tampoka ataon’i Andry Rajoelina ity ? Etsy ankilany dia misy ny hetsika famoriam-bahoaka ankalamanjana hataon’ny vondrona APRN, tarihin’i Pety Rakotoniaina etsy Ankorondrano amin’ity anio ity, vondrona izay mitaky ny handravana ny CENI-T sy manohitra ny hanaovana fifidianana fihodinana faharoa. Misy ifandraisany ve ireo, sa fifanojoan-javatra fotsiny ihany ?
Fotoana hahafahan’ny CENI-T manazava ireo fanontaniana sy fanamarihana ary fanankianana maro niantefa taminy ity anio ity mba hampisinda ny ahiahin’ny maro. Aorian’ity famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika ity dia manana 15 andro indray ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana handinihana ireo antontan-taratasy rehetra, ary manambara amin’izay ny voka-pifidianana ofisialy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.