Vaky ny ady eo amin’ny samy mpanohana ny filoham-pirenena any Alaotra Mangoro.
Nanao fanambarana tsy mankasitraka ny fanendrena ny lehibe ny Faritra vaovao any Alaotra Mangoro ny fikambanana ny Ben’ny tanàna sy ny ampahany amin’ny birao politika HVM Ambatondrazaka ny alatsinainy lasa teo. Omaly indray nisy ampahany tamin’ireo birao politika nanohitra io fanambarana notontosaina ny alatsinainy io. Ahiana hiitatra any amin’ny fifidianana izay ho Loholona izao disadisa anatiny eo amin’ny samy HVM izao. Ny disadisa teo amin’ireo solombavambahoaka mianadahy samy voafidy tany Ambatondrazaka izao lasa nampisy ankolafy roa eo amin’ny samy HVM izao. Hamparefo ny antoko ny eo amin’ny fitondrana izao tsy fitoviam-pijery eo amin’izy ireo izao.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.