Politique

Alaotra-Mangoro Nesorina i Ragôva


  • Alakamisy 01 Septambra 2022

Nilatsaka ny didy, nesorina tamin’ny toerany tsy ho governoran’ny Faritra Alaotra Mangoro Atoa Richard Ramandehamanana. Foana ny didim-panjakana N°2019-1867 nanendrena azy, araka ny tapaka tao anatin’ny Filankevitry ny minisitra omaly 31 aogositra.

Ity governora ity izay raha tsiahivina, dia voantonontonona ho nanao toetra mamofady, nikasa hanao fanararaotana ara-nofo na “harcélement sexuel” tamina tovovavy Frantsay miisa 3, araka ny taratasy nalefan’ny Folohan’ny Departemanta Ille-et-Vilaine any Frantsa ny 01 aogositra 2022 teo, maneho ny fanapahana fiaraha-miasa eo amin’ny faritra roa tonta. Nambara fa voatery tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra mba ho antoka amin’ny fiarovana ireo tovovavy antsoina hoe: Clémence De Villers, Oriane Thomas, ary Lison Piquet. Voarakitra an-taratasy fa nanao fitsarana momba ny toe-batan’ireo na “jugement sur leur physique”, nisy ihany koa ny fampidirana ireo telovavy tao anatin’ny fiara mba nahafahana nafosafosafo azy tsy nisy fahazoan-dàlana avy amin’izy ireo, ary nokasaina, hofihinina sy horohana ny iray tamin’izy ireo. Naneho noho izany ny Filohan’io departemanta Frantsay iray io fa nanapa-kevitra ny tsy hamita ny iraka ampanaovina azy ireo iraka Frantsay telo vavy, tsy azo antoka ny toetra amam-pihetsik’io governor io, ka tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra mba hampanalavirana ireo tovovavy ho fiarovana azy ireo. Tetsy ankilany, niezaka nandà izany Atoa Ramandehamanana Richard, ary naneho fa manana toetra ratsy sy manambany ny manam-pahefana Malagasy ireo vehivavy ireo. Tsy vitan’ny tenany irery, fa nampiteny ireo mpiara-miasa aminy hiaro azy. Voalaza fa hanadio ny manodidina azy satria tao no mety niaingan’ny famoahana ny resaka. Tsy nahazo ny tenany anefa Ragôva, fa io niongotra tamin’ny toerany io. Tsy vao sambany tamin’ny raharaha nahavoatonona azy io, fa efa nambaran’ny fampahalalam-baovao ho nanodikodim-bola 153 000 000Ar mahery tamin’ny tsenam-panjakana ity governora ity ka asa hanao ahoana ny tohin’ireny raharaha momba azy ireny? Toa lasa nanohintohina ny lafiny fiaraha-miasa, ary mety miantraika amin’ny diplaomasia na “incident diplomatique” ny raharaha farany teo. Any ampitan-dranomasina, manaja tena mametra-pialana ireo olona ambony voatonona amina raharaha goavana tahaka itony, saingy ny aty amintsika miandry trongisina. Tsara ny manamarika fa efa ny taona 2004 no niara-niasa ny faritra Alaotra Mangoro sy ny Ille-et-Vilaine, tamin’ny sehatry ny “écotourisme” sy ny resaka ronono, fony Atoa Robinson David Alexandre no Lehiben’ny faritra.
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT