Politique

Alain Ramaroson “Hajanony ny herisetra fa andao hiady hevitra”


  • Alarobia 08 Febroary 2023

Adidin’ny filoham-pirenena rehetra ny hoe miady hevitra isika mianakavy hampandroso ity firenena ity, hoy ny filohan’ny antoko politika Masters, Alain Ramaroson,

nipoitra indray tetsy amin’ny fahatsiarovana ny 7 febroary 2009 tetsy Ambohitsirohitra rehefa ela tsy tazana intsony teo amin’ny fanehoan-kevitra politika. Aoka tsy hifandrangitra mihitsy isika malagasy, hoy izy. Rehefa manana kianina ianao dia avoahay! Aza manao tsindry ila fa be koa ny tavela any ambadika any ary tsy adino. Fitoniana no ilain’ny firenena. Mila mifampiresaka ny samy malagasy. Krizy 2 no nisy teto Madagasikara. Corona ny iray. Rakotra ny firenena manerana izao tontolo izao ary nijanona daholo ny raharaham-pirenena rehetra. Isaorana an’Andriamanitra fa tany masina ity Madagasikara ity. Tsy dia betsaka ny namoy aina teto. Niaiky ny rehetra hoe fa naninona I Madagasikara no tsy dia voa mafy dia aza adino fa mba namoaka zavatra isika teto. Ny CVO, ny ED1, izany hoe rehefa malagasy moa no manao azy dia miely ny tsaho rehetra. Io i Okrainina indray! Mandraingiraingy indray izao ny firenena eoropeanina. Hatraty io no misy fiantraikany. Hajanony ny herisetra fa andao hiady hevitra isika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT