Politique

Alain Ramaroson Fa lasa aiza ?


  • Talata 15 Novambra 2011

Tsy mba anisan’ireo mpanao politika mibosesika amin’ny fanehoan-kevitra amin’ny fananganana ny tetezamita iaraha-mitantana Atoa Alain Ramaroson, filohan’ny vaomieran’ny filaminana sy ny fandriampahalemana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, na dia anisan’ireo tena nanohana sy nanampy an’i Andry Rajoelina teny an-kianja aza.

 Raha mifandrombaka miaro ny sezany sy ny tombontsoany ireo mpanao politika ao amin’ny FAT izy kosa tsy re feo mihitsy ary tsy tazana ihany koa amin’ny fahitalavitra. Hatramin’izay anefa, izy no lohalaharana maneho hevitra miaro ny tolona sy ny tetezamita vantany vao misy fihetsiketsehana ataon’ny mpanohitra na zavatra tenenin’ny mpanelanelana vahiny. Velom-panontaniana, araka izany, ireo mpanara-baovao politika hoe : fa lasa aiza ary ingahy Alain Ramaroson ? Toa sady tsy nandray anjara tamin’ireny fihaonana teny amin’ny Carlton sy Paon d’Or ireny no tsy hita ihany koa mandritra ireo fivoriana maromaro teny amin’ny lapan’Anosikely teny. Araka ny fantatra anefa dia eto an-toerana ihany izy. Ny fandinihana ny zava-misy no nahafahana nilaza fa hatramin’izay nitrangan’ilay loza naharendrika ny sambo nitondra an’Itompokovavy Nadine Ramaroson dia nangina ity mpanao politika azo lazaina hoe manana ny maha izy azy tamin’ny nahatongavan’i Andry Rajoelina teo amin’ny fitondrana ity.

Taorian’iny tranga mampalahelo tamin’ny volana aogositra 2011 iny dia henjankenjana fomba fiteny ihany Atoa Alain Ramaroson sy ny fianakaviany izay tsy dia mino firy hoe loza tsotra no nahafaty ny zanak’izy ireo. Nilaza fa hanao fanadihadiana izy ireo, saingy fanomezam-baovao tokana aloha no fantatra hatramin’izao dia ny hoe mety nisy namadika politika iny raharaha iny ary mety misy anaran’olona ambony voatonontonona ao anatin’ilay izy. Tena mbola mifantoka amin’ny fanaovana io fanadihadiana io tokoa ve no mampangiana an’Atoa Alain Ramaroson sa zavatra hafa ? Sa tena nisafidy ny hangina sy tsy handray anjara amin’ny fitantanana ny tetezamita ny tenany noho ny tsy fisian’ny fifampatokisana intsony eo aminy sy ireo mpitondra ambony sasany ? Mety midika ary ve izany rehetra izany fa tsy ho anisan’ireo olon’ny FAT hiditra anatin’ny rafitra tetezamita vaovao intsony ingahy Alain Ramaroson ? Ary raha tsy tafiditra ao izy dia mety hanao ahoana ny ho fihetsiny ?
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

Hijery ny tohiny
FTT