Hanao fanambarana ny filoham-pirenen’i Madagasikara, Andry Nirina Rajoelina, izay nahazo fizakan-jom-pirenena frantsay tamin’ny alalan’ny antsoina hoe “naturalisation”,
hoy ny mpahailalàna sady mpanao politika filohan’ny antoko politika Gasikara antsika rehetra sy filohan’ny vondrona Vonjeo Gasikara, Alain Mahavimbina, omaly. Amintsika miteny izao dia isan’ny mandalo eny amin’ny fiarahamonin’ny vahoaka mihitsy ny filazana hoe vazaha, hoy izy. Lalàna eto no resahana. Ny voafaritry ny andininy faha 42 amin’ny sata mifehy ny zom-pirenena malagasy dia manambara fa ny olompirenena iray efa tonga taona ka mangataka zom-pirenena hafa dia very ny zom-pirenena maha malagasy azy. Mbola tsy azontsika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ny milaza fa very ny zom-pirenena maha malagasy an’andriamatoa Andry Rajoelina raha tsy jerentsika aloha ny dingana na “procédure” hanambarana fa very tokoa ny zom-pirenena maha malagasy azy. Izany hoe tsy maintsy mbola mandeha manao fitarainana na “saisine” amin’ny mpampanoa lalàn’ny repoblika, izany hoe, “procureur de la république” isika hanao ny fepetra rehetra hamantarana fa efa tsy manana zom-pirenena malagasy intsony ny filoham-pirenena am-perinasa amin’izao fotoana izao izay vao mankany amin’ny andininy faha 42 manambara fa very ny zom-pireneny ka tsy tokony hitondra intsony ny firenena malagasy. Izany hoe atao ny fanazavana na “requête” hiantsoana na hanaovana “saisie” ny “procureur de la république” amin’ny andininy faha 73 satria ny andininy faha 73 dia manambara fa ny “procureur de la république” no afaka manambara amin’ny alalan’ny atao hoe “réquisition” na fandraisana fepetra fa very na tsia ny zom-pirenen’ny filoha Andry Rajoelina. Rehefa fantatra fa very tokoa ny zom-pirenena maha malagasy azy vao miverina mampihatra ilay andininy faha 42 isika. Mbola tsy tokony hijanona amin’ny andraikitra maha filoham-pirenena malagasy azy, noho izany, i Andry Rajoelina satria ny firenena malagasy dia manana ny fiandrianany. Raha efa vita kosa ilay fijerena ny andininy faha 73 dia tsy misy azo raisina daholo na “nul et non avenue” ny fanapahan-kevitra noraisin’ny filoham-pirenena ankehitriny rehetra, hoy hatrany ity mpanao politika sady mpahailalàna ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.