Maro ireo fanehoan-kevitra sy atrik`asa natao tetsy sy teroa mahakasika an`ny fiainam-pirenena toy izany ny K3F na Komitin’ny Fahamarinana Fandriampahalemana Fiadanana tany Fianarantsoa. Namaly ny antso nataon’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara sy ny FFKM tamin’ny taona 2017 mahakasika ny fiainam-pirenena ireo kandidà efa nanao fanambarana ofisialy ny firotsahany hofidiana ho filoham-pirenena sy ireo izay ho mpifaninana ho amin`izany ny K3F.
Anisan`ireo namaly ny antso I Alain Mahavimbina, izay filohan`ny antoko Gasikara Antsika Rehetra. Somary niely ny feo taorian` iny fihaonambe tany Fianarantsoa iny hoe ho kandidà ihany koa i Alain Mahavimbina kanefa tsy mbola nisy ny fanambarana ofisialy mahakasika izany. Mahatsapa ny tenany fa tsy vitan’ny tompon’andraikitra ara-panjakàna ny mametraka ny fahamarinana sy ny fandriampahalemana ary ny fiadanana eto amin’ny Firenena. Notsindriny ihany koa fa fandraisana andraikitra manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin`izao fotoana izao no nahatonga azy namaly ny antson-dry Mompera tamin`io fampiantsoana io. Zava-dehibe ny fihavanana sy ny fifankatiavana ary ny fiaraha-mientana hoy ny filohan`ny antoko GAR. Mahakasika ny fiainam-pirenena indray dia tsy tokony hiroso amin`ny fifidianana ny firenena satria mbola tsy milamina indrindra fa ny lalàna mifehy ny fizotran`ny fifidianana. Mbola tokony hiroso amin`ny dinika sy ady hevitra mahakasika izany araka ny fanazavany hatrany. Na dia izany aza anefa, miandrandra rivo-baovao ny Malagasy rehetra afaka volana maromaro. Maro no efa tsy ho vaovao amin’ny vahoaka ny mety ho firotsahany fa misy kosa ireo olona izay tsy ho ampoizina kanefa isan’ny mety handray anjara amin’ny hazakazaka hiadiana izay hitantana an’i Gasikara.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.