Akany Lovasoa 67 Ha

Nisitraka fanampiana avy amin’ny « Espoir de l’Océan Indien »


  • Alarobia 27 Desambra 2023

Toy ny efa fanaony dia tsy mitsahatra mahatsiaro ireo ankizy tezaina

eny amin’ireo Akany natsangan-dRamatoa Céline Ratsiraka ny avy amin’ny antoko Arema sy ireo mpiara-miasa aminy. Ny zoma 22 desambra teo dia ny Akany Lovasoa 67 Ha no nahazo ny anjara fanomezany izay niarahan’ny antoko niasa tamin’ny « Association Espoir de l’Océan Indien ». Notolorana akanjo sy kilalao ary vatomamy ireo ankizy tezaina sy beazina ao. Nahazo anjara fanomezana ihany ko any Ray aman-dRenin’izy ireo. Notohizana tamin’ny fiaraha-misakafo ny lanonana. Nanamafy moa Ramatoa Raharimalala Afrose Dorine, filohan’ity fikambanana « Association Espoir de l’ocean Indien » ity fa noho ny fahatsapana ny olana sedrain’ny ray aman-dreny eto Madagasikara amin’ny fampifalifaliana ny zanany rehefa fotoan’ny fety tahaka izao no anton’ny fanampiana. Akany sy fikambanana maro no efa nitondrana fanampiana tahaka izao ary mbola hitohy izany, hoy izy. Nisy ihany koa ny toromarika nomeny ireo ray aman-dreny amin’ny fomba fitaizana zaza.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT