Akaiky ny fifidianana

Takonana fanosehana borety ny tsy fiadiana ny tombotsoam-bahoaka…


  • Alakamisy 22 Febroary 2024

Ho avy indray fifidianana dia manomboka misehoseho ho miasa ireo

depiote sasany tahaka ny ao Mahajanga Renivohitra, izay somary lasa resabe na niteraka « buzz » ny fihetsika nataon-dRtoa Rahantanirina Lalao na Ninah, nanosika borety manamboatra làlana. Misy ireo solombavambahoaka izay manao asa sosialy na asa hafa hatramin’izay satria misy rahateo ilay vola 250 tapitrisa Ar ao anatin’ny tetibolan’ny CIAD (Crédit d’Investissement pour l’Appui au Développement) tantanin’ny depiote, fa ao ihany koa ireo tsikaritra ho mikofokofoka satria akaiky ny fifidianana. Asana Filoha lefitry ny antenimierampirenena ve ny manosika borety sy maneho fa mamboatra làlana aty akaikin’ny fahataperan’ny fotoam-piasana ? Zava-dehibe aloha ny fandraisan’andraikitra, fa amin’ny lafiny iray dia endrika maneho aloha ny tahaka izao fa marefo na « défaillant » ny fitondrana Rajoelina, tsy mahavita ny asa tokony hataony, toa mamely ankolaka ny rafitra samihafa toy ny governemanta, ny Minisiteran’ny asa vaventy, ny faritra, ny kaominina,… izao. Raha tena nanao ny asany amin’ny maha depiote izy dia nanery ny hampiasana ny FR na « Fonds Routier », nitaky tao anatin’ny fandinihana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana mikasika ny tokony hahatongavan’ny vola hikojakojana ny làlam-pirenena any amin’ny kaominina,… Mety asa bebe kokoa no mandeha sy vita ao anatin’izany raha tena voadinika anaty tetibolam-panjakana fa tsy lasa fihetsiketsehana ivelany amin’ny fanosehana borety sy « tip top », izay zary efa lasa fomba fiasan’izao fitondrana izao. Efa notaterina teto rahateo ny faran’ny herinandro teo fa na ny RN4 mampifandray an’Antananarivo sy Mahajanga, na ny làlana ao an-tanànan’i Mahajanga Renivohitra dia tapitra potika. Ny delestazy manimba ny fiharian’ireo mpandraharaha amin’ny resaka hazan-dranomasina sy ny indostria samihafa moa efa tsy lazaina intsony. Mila andraikitra avy any amin’ireo solombavambahoaka izay mpanao lalàna sy mpanara-maso ny asan’ny mpanatanteraka izany saingy samy manana ny manahirana azy angamba ka toa miova mihitsy ilay endri-pitantanana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT