Miroso tsikelikely any amin’ny fanafoanana azy ny kompania Air Madagascar ary kompania malagasy hafa no havadika ho kaompania nasionaly
. Vita hatreo ve izany ny amin’ny kompaniam-pitaterana Air Madagascar ? Ny faramparan’ny taona teo dia nalaza be fa hikatona ny Airmad satria tsy mahavelona ny tenany intsony. Ankehitriny dia mihamahoraka hatrany ilay vaovao ary efa misy milaza fa ny 30 % ny mpiasa mihintsy no ho esorina voalohany atsy ho atsy. Mandry tsy lavo loha noho izany ireo mpiasan’ity orinasam-panjakana ity ka tsy vitsy no efa mitady lalàna mametraka taratasy fangatahana asa any amin’ireo kompania vahiny. Efa ela no fantatra fa mandalo fotoan-tsarotra ny fitantanana ny Air Madagasikara saingy ankehitriny dia tongo-bakivaky ka sady maharary no mahamenatra fa na ireo orinasa madinika miara-miasa amin’ity kompania ity dia maro no efa mieritreritra ny hanapaka ny fiaraha-miasa nohon’ny volan’izy ireo tsy voaloa ? Talohan’ny faran’ny taona ihany koa dia nalaza be fa ananana orinasa lehibe telo aman’efatra trosa ny Air Madagasikara ka tena sempotra amin’ny fandoavana izany. Raha nanotanina momba izany moa ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny kompania dia sady tsy nanda no tsy nanaiky ny fisian’ny trosa fa nanambara kosa fa tokony any amin’ireo tompon’ny trosa ny mpanao gazety manontany. « Orinasa samy miasa eto Madagasikara izahay ka tokony hahagaga ve raha toa ka misy kaonty mifampiditra . Tsy dia hitako izay tokony hamohana izany an-gazety » hoy ity tompon’andraikitra ambony ny Air Madagascar ity. Niaiky kosa anefa izy fa toy ny orinasa rehetra ka mety hametraka olana betsaka amin’ny fitantanan-draharaha ny fisian’ny trosa. Noho io trosa io mantsy no mahavelona ahiahy ihany koa ny mpiasa amin’ny mety hitarika any amin’ny fanakatonana ity orinasa ity. Kompania malagasy hafa no re siosio fa mety havadika ho kompania nasionaly rehefa levona tanteraka ny Air Madagascar. Ratsy fiafara.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.