Ahiana ho mikotrika

fanakorontanana Nosamborina i


  • Alatsinainy 16 Febroary 2026

Vy Vato, karohina i Augustin…

Nosamborina tany Antsirabe ny sabotsy 14 febroary 2026 teo tany Antsirabe Atoa Rakotomaditra Vy Vato, governoran'ny faritra Vakinankaratra teo aloha. Noentin'ny polisin'ny Brigade criminelle nihazo an'Antananarivo avy hatrany hatao famotorana, hoy ny tatitry ny fampahalalam-baovao samihafa. Efa nasaina nosavain'ny mpitandro filaminana ny tranony, noho ny raharaha "Atteinte à la sûreté de l'État" sy "acte de déstabilisation", hoy hatrany ny tatitra vonjimaika. Tadiavina izy ankehitriny ary hatao famotorana mikasika resaka fanakorontanana sy fikasana hanongam-panjakana. Efa tazana mihaodihaody teny amin'ny trano fonenany eny Ifaliarivo Ampitatafika ireo mpitandro ny filaminana. Raha ny loharanom-baovao samihafa dia mety hisy ny fisamborana ity olon'ny fitondrana teo aloha ity. Hatramin'ny sabotsy teo, voalaza fa mbola tsy nody tao Faliarivo ny Depiote Augustin Andriamananoro raha nivoaka maraina, ka mbola tsy hay izay toerana misy azy amin'izao fotoana izao. Maro ireo mpitandro filaminana mbola mihaodihaody hatramin'izao izay saika anao fanamiana sivily. Amin’ny maha depiote azy, dia voalaza fa nisy fangatahana fanesorana ny zo tsy azo henjehina na « immunité parlementaire » nataon’ny Birao maharitry ny Antenimierampirenena, ary miparitaka aza ny resaka milaza fa efa afaka izany, saingy tsy mbola misy fanambarana ofisialy manodidina an’io. Raha ny voalazan’ny andininy faha-73 amin’ny lalàmpanorenana mamaritra ny an’io « immunité parlementaire » sy ny andininy faha-10 sy faha-11 amin’ny lalàna fehizoro 2014-001 mikasika ny antenimierampirenena moa, dia « tsy misy depiote azo henjehina sy samborina amin’ny raharaha heloka bevava na heloka tsotra, raha tsy misy ny fahazoan-dàlana manokana avy amin’ny antenimierampirenena, raha tsy tratra ambodiomby ». Andrasana ny tohiny, fa ara-politika dia heverina fa tsy tongatonga ho azy ireo tranga sy fikononkononana samihafa izay mifanandrify amin’ny fipoiran’i Andry Rajoelina tatsy Eswatini izay inoana sy heverina fa mbola tsy levon’ny vavoniny ny fijoroan’ny vahoaka sy ny tafika ka nanaovany tari-dositra any ivelany. Manao ny fomba hanohintohinana ny fitondram-panjakana mijoro...
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT