Ahiana ho mikotrika fanakorontanana ?

Nampiaka-peo i Augustin Andriamananoro


  • Alatsinainy 20 Oktobra 2025

Tsy izaho ao anatin’ny fitantanana sanatrian’ny

vava no henjehina amin’ny hoe : « atteinte à la sureté intérieur de l’Etat » ! Izaho no tokony hiaro io Fanjakana io, izaho no miaro ny andrim-panjakana, izaho hiaro ny lalàmpanorenenana », hoy i Augustin Andriamananoro. Milaza hijoro hiaro ny rariny, ka nilaza fa tsy azo ekena intsony ny tratrevatreva, ny fanaovana bontolo, fa aleo isika hitady fitoniana, hitady filaminana, hoy hatrany izy. Tsy finiavana hitsikera fa mba nahatsapa sy nahalala izany ve ireto mpomba an-dRajoelina fony mbola tsy nirodana ? Sa rehefa mamay ny raharaha ary tsy ao anatin’ny tena tanjaka ara-politika sy ara-pahefana intsony vao mahalala sy mahatsapa ny lalàna sy ny hoe : tsy ilaina ny tratrevatreva ? Ilaina ny fitoniana ? Tranga mbola tsy ampy iray volana akory ny nanaovana sambo-dokotra ny depiote Antoine Rajerison teny Tsiadana, natao toy ny biby, niharan’ny vono sy daroka,… Tsy nomena hasiny ny maha olom-boafidy,… fa moa mba nisoka-bava ve ny Birao maharitry ny antenimierampirenena tamin’izany nisy an-dry Augustin Andriamananoro ? Tao alohan’ireny tamin’ny taom-piasan’ny depiote talohan’izao, nosamborina tamin-kery teo Mahamasina ny depiote Fetra Ralambozafimbololona ary nodraina efa folo andro na mahery fa nisitri-belona ny depiote IRD,… fa izao fisavana tsy misy fisamborana aza dia mampiaka-peo. Tsy finiavana hanenjika na hanakiana fa kosa mba misy lesona politika mila tsoahana amin’izay, mba mila mitovy ny rehetra fa tsy mety ny vain-drahalahy tsy mba marary, mba mila maka lesona fa tsy misy ny mandrakizay,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Paul Rabary
  • Alarobia 22 Aprily 2026

«Apetraho dien’izao ny rafitra tsy mitanila!»

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT