Ahiana hatrany ny teti-dratsy ara-pifidianana

Mila mailo be indrindra fa ny ara-taratasy


  • Alarobia 21 Aogositra 2024

Tapa-bolana eo sisa dia hisokatra ny fotoana fandraisana ny antontan-taratasin’ireo kandida

ben’ny tanàna sy mpanolontsaina, izay dimy andro monja no ananan’izy ireo, dia ny 5-10 septambra 2024. Tsiahivina hatrany fa lisitra no hofidiana amin’ity araka ny lalàna, ka fidiana miaraka amin’ny mpanolontsaina tarihiny ny ben’ny tanàna, ary arakaraka ny vato azo ny kajin’ny mpanolontsaina azo. Tsy lany ho mpanolontsaina kosa anefa ilay kandida ben’ny tanàna tsy lany. Amin’ny maha lisitra no hofidiana, mila mailo ireo kandida sy ny lisitra tarihiny amin’ny famenoana amin’ny antsipirihany ny antontan-taratasin’ireo mpilatsaka hofidiana rehetra. Betsaka ny mety ho kajikajy sy sakantsakana na antsojay politika, ary hitady fomba hamelezana an’ireo mpifanandrina atahorana aza mety hitranga raha ny efa hita hatrizay, mainka fa misy hirika malalaka mety hahafahana manintsana kandida. Raha misy mpiray lisitra mety tsy tomombana, dia mety ho sorona ny rehetra, ary mety hiara-hihintsana amin’ny maha lisitra no fidiana na « scrutin de liste » azy. Efa iny nampahatsiahy iny, ohatra ny Foibe Fitantanana ny hetra, fa ny fanaovana ny filazana ara-ketra sy ny fandoavana ireo hetra sy haba ao anatin'ny fe-potoana napetraky ny lalàna ary fanefana ireo trosan-ketra rehetra no ahafahan'ireo kandida manamarina ny maha-mpandoa hetra ara-dalàna azy. Ny fepetra mialohan’ny fotoana izay, fa mbola betsaka ihany koa ny fahamailoana mila hapetraka rehefa any anaty fampielezan-kevitra, mandritra ny latsa-bato sy aoriany. Efa ireny niaraha-nahita ireny rahateo ny zava-nitranga tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna, izay betsaka ny tsy fahatomombanana, fitsidimbadihana vokatra, fitoriana voatsipaka ny ankamaroany,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT