Politique

Ahiahy ara-pifidianana Miha mahery fiteny ny mpanohitra


  • Alakamisy 06 Oktobra 2022

Na mbola tsy marin-toerana aza ny hahatanterahan’ny fifidianana noho ny antony maro, efa mandeha ny kajikajy politika rehetra,

hoenti-miketrika fandresena. Lohalaharana amin’izany ny fitondrana ankehitriny, ary mitombo kosa ny ahiahin’ireo mety ho mpifandrina politika aminy amin’ny fifidianana. Loza mitatao ho an’ny tany sy ny firenena ary ny ho avin’i Madagasikara ny tsirambina sy ny mety ho kajikajy iarahan’ny Fanjakana sy ny Vaomieram-pifidianana, raha ny fanehoan-kevitry ny Depioten’i Toamasina Roland Ratsiraka tamin’ny fahitalavitra iray omaly. Mampitandrina ny CENI sy ny Fanjakana izy satria milaza ireo fa vonona hanao zavatra mahitsy, ka izao izahay dia efa manitsy azy ireo, hoy ity depiote ity. Lazaina, hoy izy, fa 01 oktobra no manomboka ny fanisana mpifidy, kanefa betsaka ny fanamarihana fa mbola tsy misy zavatra mendeha, tsy mbola misy “tablettes” nozaraina. Miantso hatrany ny Vondrona Eoropeanina, na OIF (Organisation Internationale de la Francophonie), na ny Fikambanana Iraisam-pirenena hanao fitsirihana na « audit » ilay “logiciel” na rindrambaiko I Roland Ratsiraka satria isika Malagasy tsy hifampatoky, hoy izy. Noraisiny ho ohatra tamin’ny resaka halatra efa misy foana ny fifidianana tao Toamasina hoe: mpanolontsaina monisipaly nandresy izy ireo, kanefa tany amin’ny fifidianana ben’ny tanàna nolazaina fa resy ka tena tsy mitombona mihitsy. Tsy nihambahambara ihany koa ny Filoham-panjakana teo aloha Rivo Rakotovao Mpandrindra Nasionalin’ny HVM ny talata teo naneho fa mampiahiahy ny tsy fitsoran’ny CENI mazava toy ny resaka tetibola hanaovana fifidianana. Tsy nihambahamba izy naneho fa laingalainga sy petatoko no betsaka, ka korontana no mety hiafarany. “Rehefa manao an’io fomba fanaony io ny fitondrana, be kajikajy any ambadika hampandaniana ny kandidany, tsy vonona hanitsy ny resaka lalàna, fa mieritreritra fa azy foana ny fahefana amin’ny resaka fifidianana dia lasa mivadika ho sakoroka”, hoy ny fanehoan-kevitr’io filoham-panjakana teo aloha. Rehefa tsy hanao ny asa ho asa masina ny Fanjakana, dia mety hiafara amin’ny korontana io, hoy hatrany izy nanamafy. Mbola aty amin’ny herintaona latsaka tsy hahatongavan’ny fifidianana, dia efa izany ny sary politika miseho ka mampanahy ny ho avy, ambony ny risika hisian’ny korontana raha tsy mipetraka ny lamina sy fitsipi-dalao mazava, fa indrindra ny fifampatokisana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT