Politique

AFK sy ny raharaham-pirenena « Efa hita ny vahaolana fa ny fandraisana andraikitra sisa »


  • Talata 18 Aprily 2023

Ny famohazana ny vahoaka handray andraikitra sisa no andrasana dia hivadika ao anatin’ny indray mipy maso ny tantaran’i Madagasikara.

Nivoitra io omaly nandritra ilay hetsika varavarana misokatra andiany faharoa nokarakarain’ny Antso Fiaraha-monina Kristianina tetsy amin’ny Tana Hotel Antaninarenina. Nambaran-dRandriamparany Ricky mpitarika ny fikambanana fa mbola ho afaka hivoaka anaty lavaka lalina hilentehany ihany i Madagasikara dia ny fahantrana lalina iainany sy ny fametrahana ireo vahoaka Malagasy ho zazabodo hatrany tsy mba manan-kevitra….Izany rahateo ny ankamaroan’ireo fanontaniana tena napetrak’ireo mpandray anjara tonga tao an-toerana. Ho an’ny AFK manokana araka izany dia efa hita ny vahaolana. Efa ao avokoa ny fitaovana hampiasaina. Efa mandeha koa ny fanabeazana sy ny fampianarana ary ny fikarohana fa ny fiandrasana ny rehetra hifoha sisa no olana. Ohariny amin’ny sambo iray lehibe hatopatopan’ny ranomasina mantsy i Madagasikara ka tsy mahalala akory izay lalan-kalehany ary indraindray aza dia maty mihitsy ilay motera hany ka tsy mahita aleha intsony ny olona ao anatiny. Tsy maintsy ireo olona ao anatiny ireo ihany araka izany no hanavotra an’i Madagasikara dia ireo vahoaka Malagasy hoy hatrany Randriamparany Ricky.
Pati
Legende : Randriamparany Ricky, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Antso Fiaraha-monina Kristianina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT