Afera zom-pirenena

Notorian’ny DLC Primatiora Rajoelina


  • Zoma 11 Septambra 2026

Nifoha ny dosie mikasika ny

amboletran’i Andry Rajoelina nanao tery vay manta tamin’ny fifidianan filoham-pirenena ny taona 2023. Nampahafantaran’ny Fampanoavan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo omaly, fa nitory an’i Andry Rajoelina ny DLC (Direction de la Législation et du Contentieux) eo anivon’ny Primatiora, araka ny fitoriana nipetraka ny 18 aogositra 2026. Raharaha manodidina ny fahazoany taratasy fanamarinana ny fizakana ny zom-pirenena Malagasy na « certificat de nationalité », nahafahany nifaninana hofidiana ho Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ny taona 2023. «Nanomboka ny 19 novambra 2014 anefa izy dia efa nizaka ny zom-pirenena Frantsay. Ny lalàna mikasika ny fizakana zom-pirenena Malagasy anefa dia mazava, fa ny Malagasy iray feno taona nanhgataka ka nahazo zom-pirenena hafa dia manary avy hatrany ny fizakana ny zom-pirenena Malagasy », hoy ny fampanoavana. Voafaritry ny andininy faha-42 hatramin’ny faha-52 amin’ny lalàna 60-064 tamin’ny 22 jolay 1960 mikasika ny zom-pirenena Malagasy moa ny pitsopitsony momba an’io, saingy tsy nahasakana an’i Andry Rajoelina nanao amboletra, nampiasa hery,… teo anatrehan’ny fanoheran’ny Collectif des 11 candidats tamin’izany fotoana. Nifanandrify ihany koa tamin’ny vanim-potoana nanagadrana ny Kolonely Randrianirina Patrick sy ny Kolonely Rampanarivo tamin’izany fotoana. Misokatra ny fanadihadiana ary eo am-pelantanan’ny mpitsara mpanao famotorana ny antontan-taratasy. Misy fombafomba aloha paipaika amin’ny ady heloka, misy fiantsoana ny rehetra voakasika anatin’ny taratasin’ady, henoina aloha ny DLC. Ny mpitsara mpanao famotorana no manao ny fombafomba atao amin’ny fiantsoana sy fihainoana ny olona voakasika. Ny antontan-taratasin’ady no hanokafany fanadihadiana, fa ny any amin’ny Antenimierampirenena dia anjarany, fa ity resaka taratasy fizakana zom-pirenena ity aloha no fitoriana tonga eo amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany, hoy ny fanamarihan’ny fampanoavana. Manomboka mandeha izany ireo raharaha fanadihadiana samihafa manodidina an’i Andry Rajoelina satria isan’ny miandry azy ny fanadihadiana parlemantera mikasika loham-piampangana maro. Efa nandraisan’ny Sampan-draharaha mikasika ny fanagiazana ny harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna na ARAI fanapahana ny kaontin’ny orinasany dia ny Injet izay voasaringotra anatin’ny raharaha Minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha Sahondrarimalala Marie Michelle. Eo ny fananan’i Andry Rajoelina sata maha Filoha teo aloha, saingy ny zava-misy dia mety mitondra azy makany amin’ny fanamelohana samihafa, fahaverezana zo politika sy zo sivily,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT