Manomboka mivoaka ny anaran’ireo
olona am-polony voasaringotra amin’ny afera fikasana hifofo ny ain’ny Filoham-panjakana sy ny fanakorontanana Firenena. Ny 2 aprily, nambaran’ny Tonia mpampanoa lalàna Rakotoniaina Navalona fa olona 13 no voampanga ao anatin’ny fanadihadiana momba ny fikasana hamono sy hanao fanonganam-panjakana manohitra ny filohan’ny Fanavaozana kolonely Michaël Randrianirina. 11 no nambara fa naiditra am-ponja. Nambara fa nisy vola 20 miliara Ar sy fitaovam-piadiana tra-tehaka tamin’izany. Ny kolonely Patrick Rakotomamonjy, no voalaza fa lohan’ny mpisorona. Ity farany izay voasambotra ny 16 aprily rehefa niery herinandro maromaro. Ankoatra izany, telo mianadahy avy amin’ny hetsika tanora “GenZ” no voatazona hatramin’ny tapaky ny volana aprily noho ny vesatra “fikasana hanohintohina ny fiarovana ny Fanjakana”, izay nambaran’ny Minisitry ny Fitsarana Fanirisoa Ernaivo afak’omaly, fa niray tendro tamin’i kolonely Patrick Rakotomamonjy, ary nisy fifandraisana tamin’ny WhatsApp sy Telegram,… Namoaka anarana kosa ny fampahalalam-baovao vahiny Africa Intelligence, fa olona 11 amin’ireo 13 voampanga no fantatra mazava. Anisan’ireo voasambotra ny jeneraly misotro ronono Jean-Alfred Rakotomaronirina, izay efa tale jeneraly vonjimaika tao amin’ny Fonds souverain malagasy (FSM). Andro vitsy talohan’ny fisamborana azy dia nanambara ny filoha fa nisy kolikoly mitentina 19,4 miliara ariary (eo amin’ny 4 tapitrisa euros) ary nesorina tamin’ny toerany izy. Efa nambaran’ny Fanjakana ihany koa moa, fa nisy nampiasaina hoentina manakorontana firenena ny vola nahodinkodina tao amin’ny FSM. Voatazona ihany koa ny mpisolovava Abraham Guy Lincoln Andriamalala sy i Marc Arson Ramiarinjatovo, ben’ny tanàna teo aloha tao Alasora, raha ny tatitry ny Africa Intelligence hatrany. Io ben’ny tanàna teo aloha io izay marihina fa tafiditra tao anatin’ilay lisitra namoahana IST na didy tsy fahafahana mivoaka ny Firenena ny 16 martsa izay nofoanana ny 17 martsa,… Ankoatra ireo dia i Claudia Rabetsivoh, Filohan’ny FIVMPAMA. Vao haingana izy no nahazo ny mari-boninahitra “Femme CEO de l’année” nandritra ny CEO Summit 2026 natao tao Antananarivo ny 9–10 aprily ; Solotiana Ramboaniaina, mpandidy taolana miasa any Douai, Frantsa, izay voasambotra vao tonga teto Madagasikara ; Pr Jean Raveloson ; ny assistante parlementaire Monique Rakotomalala. Misy olona akaiky an’i Sylvain Rabetsaroana, senatera teo aloha izay efa voasambotra ny volana martsa, dia ny mpanampy azy José Andriamiharisoa, ny mpamiliny Patrick Rollando Rakotoarimanana ary ny rahalahiny Jocelyn Rabetsaroana. Voatazona ihany koa i Marc Rolland Rafidison, mpampianatra kung-fu sady mpiambina teo aloha ny mpitsara ambony iray. Izy no rahalahin’ny jeneraly Bernardin Rafidison.
MIANDRY FITSARANA, MBOLA TSY MELOKA…
Ireo olona rehetra ireo dia mbola heverina ho tsy meloka mandra-pahatongan’ny fitsarana, mbola misitraka ny zo tsy maha meloka noho ny tsy fisiana didy raikitra na « présomption d’innocence ». Voalaza fa tsy hihoatra ny 18 volana ny fe-potoana farany ambony hanaovana ny fitsarana azy ireo. Asa raha misy ifandraisany amin’io ihany koa fa nalaina tao an-tranony ny 21 aprily maraina i Kolonely Rabe Jules ary voalaza fa hanaovana fanadihadiana aty Antananarivo ? Tsiahivina fa kandida depiote tao Toliara ity farany. Mbola raharaha isan’ny itodian’ny sain’ny maro izy ity ka asa hoe : hanao ahoana ? Rahoviana ny Fitsarana ? Inona no lanjany sy akony ara-politika ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.