Politique

Afakandro Christian Nahazo 6 volana sazy mihantona, onitra 6 hetsy Ar


  • Talata 29 Novambra 2022

6 volana sazy mihantona miampy onitra 6 hetsy Ar! Io no didin’ny fitsarana tao Mahajanga omaly mikasika ny raharaha fanagadrana an’i Afakandro Christian izay naiditra am-ponja vonjimaika nanomboka ny 27 septambra.

Notorian’i Moustapha, Lehiben’ny zanak’i Mahajanga ho nanao fanalam-baraka azy sy nanao kaonty fake tamin’ny facebook nentina nanalana baraka moa i Afakandro Christian mpanao politika sady mpanao asa soa ao Mahajanga sady Filohan’ny Fikambanana HRT (Hanjary Raha ’Ty). Tsy nahafaly ny mpiara-dia aminy izany, ka nisy fotoana nilanja sora-baventy teny amin’ny fitsarana izy ireo. Roa volana taty aoriana, io nivoaka io ny didy fa dia sazy mihantona sy onitra no azony. Maro moa no naneho fa ny fahasahiana miteny manoloana ireo raharaha mafana mandalo eto amin’ny firenena fa indrindra ao amin’ny faritanin’i Mahajanga no isan’ny nanagadrana sy namaizana ary nanamelohana azy. Nisaotra ireo rehetra niray fo sy nankahery teo anatrehan’ny zava-nanjo azy moa I Afakandro Christian omaly, izay naneho fa fandresena ho azy ireo miaraka no azo. “Enga anie tsy hiverina intsony ny tahaka izao, ary enga anie mba sady voalohany no farany izao “complot” tahaka izao satria filaminana no tadiavintsika. Marina fa zarazarain’ny fijery saingy iray amin’ny maha samy Malagasy sy firenena iray, ka tokony hiray hina sy hifankatia ao anatin’ny tsy fitovian-kevitra”, hoy izy. Naneho tamin’ireo mpomba azy, fa mbola lavitra ny làlana hodiavina ka tsy tokony ho kivy sy hiraviravy tànana. Tamin-kafaliana moa no nandraisan’ireo mpomba an’i Afakandro Christian ny fivoahany, ka raikitra ny tanjozotran’ny fiara nampaneno anjomara omaly takariva tao Mahajanga.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT