Politique

Afabaraka ny HVM Efa mizara vola, mbola tsy mahafeno kianja…


  • Alatsinainy 09 Aprily 2018

Niseho ny efa nampoizina tamin’ny hetsika « Rodoben’ny Fisandratana » nataon’ny fanjakana HVM sy ny mpiray donak’afo taminy teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny sabotsy 7 aprily teo.

Kabary feno fihatsarambelatsihy tsy mifanaraka amin’ny zava-misy, ary fanabadoana vahoaka no betsaka.  Niezaka nampiteny ireo mpanao politika sokajian’ny maro ho mpikarama an’ady ny HVM, ka nisongadina ny fivoizana ny hoe ilaina ny fitoniana. Teny faneva rahateo ny hoe « fampandrosoana, fisandratana, fitoniana ».  Fisolelahana sy fandokadokafana an-dRajaoanarimampianina niampy fanamavoana ny hafa anefa no betsaka.   Ilaina ny fihavanana sy ny fampihavanana eo amin’ny samy Malagasy fa eo amin’ny raharaha politika kosa tokony hohajaina ny foto-kevitra izay hijoroana sy iaingana. Mino izahay fa tsy diso safidy, ary tsy sanatria fitiavana olon-tokana na fanompoana olon-tokana, ka handeha hanaovana sarintsarim-piarahana na « alliance contre nature », izay tsy hitondra voka-tsoa velively, hoy i Lanto Rakotomavo, mpitarika ny antoko TGV teo aloha. Ny TIM sy ny MAPAR no tiany horesahina, saingy tsaroan’ny rehetra fa tao amin’ny MAPAR ny tenany no namadika palitao. Sambatra samy sambatra ny manana filoha hendry sy tia fihavanana... Misy te hamiravira kanefa efa teo no nanao ny nataony naloan’ny vahoaka, hoy kosa ny Depioten’i Manakara Abel Razafimahatratra. Rodobe no resahina ka ny MDM, dia ao anatin'izany. Fampandrosoana no katsahin’ny rehetra ary tsy misy sahy milaza fa ny heviny samirery no hahatongavana amin’izany.  Ny fifanakalozan-kevitra sy fihainoana ny hafa no hahafahana mametraka fitoniana sy ny fandriampahalemana izay antoky ny fampandrosona, hoy kosa i Pierrot Rajaonarivelo. Tsy ny HVM ve izao no manao kopisoroka manao izay saim-patany eto ?  “Betsaka ny asa vita nataon’ny fitondrana ary efa tokony ho vita teo aloha saingy niniana tsy natao?”, hoy kosa ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier. Anisan’ny noresahany ny hopitaly fandidiana isaky ny faritra hatramin’ny kaominina aza. Ankavitsiana ny Malagasy no afaka misitraka izany, ka ny mpitondra aza tsy mba mandeha amin’ireny, fa any any ivelany, ary izy tenany no lohalaharana. Mbola sahy nanitrikitrika kosa i Rivo Rakotovao, fa tsy matahotra fifidianana ny filoha. Iza no matahotra ? Ny filoha dia manaja ny lalàmpanorenana tsy mihevitra akory ny hijanona eo fa manaiky fifidiananana, hoy izy. Efa milamina ny kajikajy maloto hahafaha-mangala-bato sy mifikitra eo, dia mamoaka vava amin’izay. Tratry ny horakoraky ny olona moa ity filohan’ny HVM ity sy ny praiminisitra.

                                              


 

Na teo aza ny fizarana vola sy fisintonana olona tamin’ny alalan’ny mpanakanto Stéphanie, Tempo Gaigy,… dia nisy fahabangana ny seza, tsy nahafeno ny lapan’ny Kolontsaina sy Fanatanjahantena ny HVM. Toy ny efa fanao, dia nandeha hatrany ny fanakaramana olona hiatrika ny hetsika. Notambazana 3 000Ar ny ankamaroan’ny nameno ny toerana, raha ny fanadihadiana. Ireo izay nahazo, dia nasiana ranomainty, toy ireny amin’ny fifidianana ireny ny tanany, ka taty akaikin’ny “Bazar du quartier” no nisy ireo fiara maromaro nizara vola.

 


 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT