Ady ho an’ny fahamarinana

Tongan’ny artista hatrany ivelany ny firaisankina


  • Zoma 13 Oktobra 2023

Anilan’ny marina sy ny vahoaka hatrany na asa io na adidy io ny mpanakanto Rossy,

hoy ny mpanakanto sady depiote, Paul Bert Rahasimanana na Rossy, omaly. Efa fanamiako ho marik’izany hatramin’izay, hoy izy, ny fotsy fa aza taitaitra. Misy fotoana ny zava-drehetra. Misy fetra ny fandeferana. Misy fahanginana mankarenin-tsofina , misy tabataba tsy misy mihaino. Mankany mankany io, hoy hatrany ity tompon’ny tapolaka glady ity. Hita ho tongan’ny artista hatrany ivelany ny firaisankina, izany hoe hatrany am-pitan-dranomasina, raha ny mikasika izay ady ho an’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny hetsika fotsy na fanamiana fotsy nanomboka ny 5 oktobra 2023 teto Madagasikara izay. Nampiranty ny sariny mitafy fotsy toy izany koa, ohatra, ny mpanakanto Lolo, izay ao amin’ny Lolo sy ny tariny, ary nilaza fa ilay akanjo fotsifotsy tokony hanaovana isan’andro amin’izay fa tsy alahady fotsiny toy ny voarakitra anaty tononkirany intsony no nisalorany nanomboka iny omaly iny. Ity mpanakanto malagasy ity moa izay monina ao Frantsa amin’izao fotoana izao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT