Politique

Ady an-tranon’ny samy mpitondra Nifampitandroka ny TGV sy ny Freedom


  • Alarobia 19 Aprily 2023

Nifampitandroka imasom-bahoaka indray ny mpomba ny fitondrana omaly nandritra ny fitokanana ny Mozea Rainilaiarivony tetsy Amboditsiry.

Niaka-pofona ny Depiote IRD Naivo Raholdina nanoloana ny ambarany fa sakatsakana sy fanilikilihana nataon’ny Ekipan’ny Freedom izay eo ambany elatry ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy tamin’ny TGV izay tarihiny. Nandeha ny fifanavahana teo amin’ny loko mena sy ny volomboasary satria nihevitra ho tompon’ny lanonana sy tompon’ny fandaminana iretsy voalohany izay voalaza fa tsy azo hampidirana volomboasary tao. Nanangatra ny ankilany, ary nilaza fa tompon-tanàna sy angady nananana io Filoha io, ka dia niharihary ny tsy fifankahazoana. “Nisy mpikambana vitsivitsy ao amin’ny Freedom fa tsy ny Minisitra no nilaza fa tsy azo hanaovana “orange” kanefa ny “orange” no nampandany an-dRajoelina fa tsy ny Freedom irery akory, tanànako ety, ary aleo hazava fa depiote voafidy teto aho, ary ny TIM dia resiko”, hoy i Naivo Raholdina. Nilaza fa ny iarahan’izy rehetra dia Rajoelina ka tsy tokony hisy resaka fanaovana vedety, ary na inona na inona hatao dia matanjaka ny volomboasary ao anatin’ny boriborintany fahadimy. Toerana politika, hoy izy, ny Minisitera, ary zavatra aty amin’ny boriborintany fahadimy io, manotrona izy, samy manana ny fitafiany. “Raha tsy nisy ny volomboasary tsy lany ny Filoha Andry Rajoelina, ary tsy lasa minisitra Rtoa Lalatiana Freedom, tsy Freedom no nahalany ny Filoha”, hoy I Naivo Raholdina tsy nihambahamba.
TSY VAO SAMBANY
Tsy vao sambany teo amin’ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ny TGV sy ny Freedom io, fa efa tranga fanintelony na faninefany raha kely indrindra. Efa nisy raharaha Bongolava izay ny Freedom no nijoro ho mpifaninana sy fahavalo politikan’ny IRD sy ny TGV tarihin’ny Depiote Haja Ramaherijaona. Ireny tsy takona hafenina ireny ny fifanandrinana teo amin’ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy sy ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy tao anatin’ny raharaha OMDA. Io indray ny tetsy Amboditsiry fa dia niharihary ny lonilonin’ny mena sy ny volomboasary,… Toa efa misy andiany depiote volomboasary sosotra amin’ny Freedom mba tsy hilazana fa ny depiote IRD manontolo, raha tarafina amin’ny fandanian’ireo depiote rehetra tonga ny tolo-dalàna momba ny OMDA tao amin’ny Antenimierampirenena ny 14 desambra 2022 lasa teo. Misy no mandika ara-politika fa efa taratry ny ho faharavana sy faharendrehan’ilay fitondrana ny ady an-trano tahaka izao.
Legende : Manaratsy endrika hatrany ny Filoha ny adin’ireo manodidina azy
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT