Mitety faritra ankehitriny ny Hetsiky ny olompirenena miady amin’ny hala-bato sy ny hoso-pifidianana na ny HOM2HF.
Vao tamin’ny herinandro teo, raha ny nambaran’ny mpikambana ao aminy, Henry Rakotomalala na Riribe, izy ireo no nandalo tao Toliara sy Fianarantsoa, Ambalavao ary Ihosy nanazava tamin’ny vahoaka ny zava-nisy tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo ary nandray ny hetahetam-bahoaka ihany koa. Maro ny vahoaka liana sy te hahafantatra ny fahamarinana. Nangataka ny hanemorana ny fifidianana sy hanavaozana ny lisitra mba hahatafiditra ny mpifidy rehetra hisian’ny fifidianana eken’ny rehetra ireo faritra nandalovana, hoy izy. Takianay koa mialoha izany ny famoahan’ny CENI sy HCC ny fahamarinana momba ireo fitoriana momba ny fifidianana farany teo izay tsy nisy hatramin’izao. Hanohy ny fitetezam-paritra any Mahajanga sy Antsiranana moa izahay, hoy izy, afaka andro vitsivitsy satria dia sahiko ny milaza fa ny 80%-n’ireo solombavambahoaka lany ireo dia lany tamin’ny halabato avokoa.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.