ADY AMIN'NY FILALAOVANA

SAIM-BAHOAKA Mila fahasahiana politika goavana sy asa matotra


  • Alakamisy 09 Jolay 2026

Isaky ny mandalo toe-draharaha sarotra

ny firenena dia ahitan-javatra mitranga hafahafa hatrany. Tany amin'ny taona 80 dia mpaka fo, bibiolona. Ny taona 90 nanomboka nirongatra ny vaky fasana sy halatra taolam-paty. Nitohy sy nanampy an'io ny kidnapping . Niditra ny taona 2000 , nanomboka nalaza ny rongony mahery vaika, ambalavelona faobe mihetsika any an-tsekoly, satanika. Nisy indray avy eo ny hoe halatra taova, fakana an-keriny olona varira, halatra voamaso, fakana an-keriny zatovo vavy raha tsy tompon'ny tenany avy eo rehefa hita. Ankehitriny lasibatra indray ny zatovo, ankizy, zaza ary misy vonoina ho faty mihitsy. Tsy zavatra tongatonga ho azy ireo fa tena resaka fanangolena ny toe-tsain'ny fiarahamonina, izay azo adika hoe fampihorohoroana ara-tsaina. Hatreto tsy mety fantatra mihitsy ny hoe : iza no lehiben'ny dahalo, lasa aiza avy ny omby halatra. Mijanona ho misitery ny vaky fasana sy halatra taolam-paty, izay mbola mirongatra hatramin'izao 2026 izao. Saika adino ny halatra lakolosim-piangonana ....malaza ilay fehezanteny manao hoe : misokatra ny fanadihadiana, fa misitery hatrany ny valin'ny fanadihadiana. Ireo irakiraka no migadra, tsy mety hita ireo atidoha mikotrika. Toa manjaka hatrany ny dahalo ambony latabatra, koa na ahoana na ahoana asa atao na inona na inona fepetra raisina dia mety hijanona ho hetsika vonjimaika hatrany izany raha tsy misy fahasahiana goavana mihitsy mamongotra any ifotony ny fanabadoana ny vahoaka mba ahafahan'ny olom-bitsy mifehy ny haren'ny firenena. Mila fahasahiana tena izy arahana asa fa tsy vitan'ny kabary sy fanambarana.
RTT
(Sary fanehoana)

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT