Politique

Adin’ny samy manampahefana Atao hazalambo i Rivo Rakotovao


  • Talata 23 Jolay 2019

Nambaran’ny fahampahalalam-baovao mpanohana ny fitondrana omaly, fa manao fanjakana kely ao anaty fanjakana be ny antenimierandoholona ary mifanohitra amin’ny sata Repoblikanina ny fanamarihana ny faha-60 taonan’ity andrim-panjakana ity,

 

 

  izay nanomboka omaly ary haharitra herinandro. Nambara fa fanapahan-kevitra manokana tao anatiny tamin’ny alalan’ny filohany Rivo Rakotovao. Nolazaina fa mihantsy ny fanjakana foibe sy ny filoha Andry Rajoelina ka tsy mankasitraka ny fanamarihana ny ankamaroan’ny loholona. “Nahoana no mihantsy ny filoha izay lanim-bahoaka kanefa loholona zara raha voatendry sy napetraka teo noho ny tombo,tsoa politika?”, hoy ilay gazety ana minisitra iray.  Nambara fa ny fetin’ny fahaleovantena dia fety iraisan’ireo andrim-panjakana rehetra, dia ny fiadidian’ny Repoblika, primatiora, antenimieram-pirenena, antenimierandoholona, Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ary ny foloalindahy. Nahoana no misy an’io fankalazana io ao anatin’ny efa nivoahan’ny vinan’ny mpitondra hanafoana io andrim-panjakana io. Nezahina nampidirana lonilony politika mahakasika ny HVM izay nambara fa naloam-bahoaka tamin’ny fifidianana. Na inona na inona tsy fitovian-kevitra ara-politika, dia andrim-panjakana iray eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny antenimierandoholona. Ny filoha Andry Rajoelina sy ny ekipany kosa no toa nanangana efitra sy nanao fahirano io andrim-panjakana io niainga tamin’ny fikotrehana fitsapan-kevi-bahoaka amboletra tsy nakana ny hevitry ny rehetra saingy nosakanan’ny HCC, ary hahena ho 18 taty aoriana fa hoe mandany vola. Tsapa sy tsikaritra ho ny lonilony politika no hanaovana fahirano andrim-panjakana. Olo-manankaja maro no manome voninahitra ny lanonana, toy ny filohana andrim-panjakana, toy ny filohan’ny HCC Jean Eric Rakotoarisoa, masoivoho vahiny sy solontenana rafitra iraisam-pirenena, solombavambahoaka… Zimbazimbaina sy sokajiana ho momba ny fananganana fanjakana kely anaty fanjakana be sy manohitra ny sata repoblikanina araka ny fahitan’ny olon’ny mpitondra azy izany ireny ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT