Adihevitr’ireo kandida ben’ny tanàna anio

Hahafahan’ny vahoaka mitsara ireo mpifaninana


  • Zoma 29 Novambra 2024

Tanterahana anio 29 novambra 2024 manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny adihevitra

nampitondraina ny anarana « Donakafon’Analakely » atao ao amin’ny Lapan’ny tanàna ho an’ireo kandida ben’ny tanàna eto Antananarivo. Namaly ny fanasan’ny FES (La Friedrich-Ebert-Stiftung) ny kandida amin’ny 6 amin’ny 7, dia i Ndriana Razanamasy, Tahina Razafinjoelina, Joseph Martin Randriamampionona, Monja Roindefo, Gascar Fanosoa, ary Harilala Ramanantsoa, raha toa ka tsy namaly izany kosa ny kandida Tojo Ravalomanana. « Handresy lahatra amin'ny hevitra, vinam-piaraha-monina ary fandaharan'asa hampandroso an'Antananarivo no nirotsahanay ho ben'ny tanàna ka tsy hisalasala izahay handray anjara amin'ny adihevitra toy izao. », hoy i Tahina Razafinjoelina, kandida isan’ny nangataka hatrany am-boalohany ny hisian’ny adihevitra toy izao izay fanao mandritra ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra, saingy safidy malalaky ny tsirairay ny handray anjara na tsia satria tsy misy lalàna manery an’io. Na izany aza, heverina ho tsy mitombina kosa ny filazana sy fivoizana fa tsy hilaina ny adihevitra satria betsaka ny olom-pirenena na sokajin’olona tena manaraka liana sy liana ary mety hahafahan’ny olona sasany izay mbola tsy manan-tsafidy manapa-kevitra amin’izay hofidiany io. Mety hisy ihany koa ny fanontaniana manitikitika ny olom-pirenena hipetraka amin’ireo kandida ao anatin’izany no hanomezana valin-teny,… Tamin’ny zoma herin’ny anio no efa nisy ilay adihevitra tetsy amin’ny Arrupe Faravohitra izay nahafahan’ireo kandida namelabelatra ny vina sy programany, namaliany ireo fanontaniana sy lohahevitra mikasika toy ny fomba itantany ny tanàna, ny fandaminana ny fifamoivoizana,… izay betsaka no nametra-panontaniana hoe : rahoviana ny famerenana ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT